Entry manga
Part of speech adjective
Malagasy definition Sora-javatra na volon-doko fitambaran' ny maitso sy ny vony; volon-dokon' ny lanitra tsy misy rahona: Manga ny habakabaka [Rajemisa 1985]
English definition blue [Hallanger 1973]
French definition bleu [Hallanger 1974]
Examples Mihatanora volo amin' ny taho ny ravinkazo, tsy mena mitaha amin' ny lanitra manga. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 5]
Derivations 
Tables and plates The Colors
Toponymy Place names having the word manga (9)
Ambalamanga
Ambohidranomanga
  Amparihimanga
Andranomanga
  Ankazomanga
Ankijanimanga
  Madiromanga
Mangalazaina
  Mangarano

Entry manga
Part of speech adjective
Malagasy definition ¶ Tsara, mahafinaritra: Manga ny dia ~ Manga feo izany raha mpihira
¶ Ambony, malaza: Tsara horaketina ny tantaran' ny olo-mangan' ny firenena [Rajemisa 1985]
English definition beautiful, excellent [Hallanger 1973]
French definition beau, excellent [Hallanger 1974]
Compound words, titles, names 
Toponymy Place names having the word manga (4): Ambatomanga, Ambohimanga, Analamanga, Nosy Mangabe

Entry manga
Part of speech adjective
Malagasy definition  [Sihanaka] dia [Rakotosaona 1972]
Compound words, titles, names 

Entry manga
Part of speech noun
Malagasy definition Karazan-kazo mamoa midoroboka misy voany maitso manopy vony rehefa masaka, izay mamy be mpankafy. Misy karazany maro ny manga: manga lava: lavalava ny voany; manga vato: tsy mba misy hozatrozatra ny voany; manga vato voasary: manga vato miendri-boasary; manga volomparasy: volomparasy ny volon' ny voany rehefa masaka; manga vory: manga boribory kely mamy aoka izany; manga eso: manga mamy avy any avaratra; mangan' omby: manga vaventy be faroratra tsy dia manao ahoana ny tsirony [Rajemisa 1985]
English definition the mango tree; its fruit [Hallanger 1973]
French definition le manguier; son fruit [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Quotes 
Toponymy Place names having the word manga (1): Moramanga
Illustrations 

2013/10/11