Index

Proverbs : mitsahatra

Proverb 1Mandray tsy mahazo menatry ny tanana, mitsaha-tsy voky menatry ny vava. [2.558]
Mandray tsy mahazo, menatry ny tanana; mitsako tsy voky, menatry ny vava. [2.415 #6451, 2.653 #1594]
French translationCelui qui tend la main sans recevoir, est tout confus à cause de sa main ; celui qui mâche et n' est point rassasié, est tout confus à cause de sa bouche. [2.415 #6451]
French interpretationLa honte vient à la suite d'un projet qui n' a pas réussi. [2.415 #6451]

Proverb 2Mitsaha-ketrika ohatra ny vary sosoa voatampo-drano. [1.1]
Mitsaha-miketriketrika tahaka ny sosoa voatampo-drano. [2.558 #2490]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona na zavatra nanajanona ny asany na nijanona tampoka fa nisy nanakivy na nanao hasomparana. [1.1]

Proverb 3Mitsaha-menimenina, toy ny vary sosoa voatondraka. [2.653 #1894]
Mitsaha-menomenona hoatry ny sosoa voatondra-drano. [2.415 #360]
Mitsaha-menomenona ohatra ny vary sosoa voatondraka. [2.165]
Mitsaha-menomenona ohatra ny voangory mipaika. [2.165]
French translationCesser de bouillonner, comme le riz cuit avec beaucoup d' eau, lorsqu' on y verse de l' eau froide. [2.415 #360]
Cesser de se plaindre, comme le riz en cuisson rajouté d' eau froide, ou comme un hanneton qui s' est heurté quelque part. [2.165]
French interpretationSe disait de l' agitation, des clameurs, des disputes qui cessent lorsque les chefs se montrent ou qu'un jugement intervient. [2.415 #360]

Proverb 4Mitsaha-misamonina tahaka ny voangory voapaika. [2.558 #2491]
Voangory voapaika, ka mitsaha-misamonina. [2.558 #4990]

Proverb 5Mpanan-karen-tsy milaoka: mitsahatra amy ny be efa lany. [2.653 #1961]
Mpanan-karen-tsy milaoka : mitsahatra amin' ny be efa lany. [2.415 #4535]
French translationRiche qui mange son riz sec, sans aucun accompagnement : il s' en tient aux nombreux mets qu' il a autrefois mangés. [2.415 #4535]
French interpretationSe disait des avares ou des gens qui ont fait bonne chère autrefois. [2.415 #4535]

Proverb 6Ny kibo be famory, ny maso be famaritra, tsy mitsaha-maniry fa olona. [2.558 #3045]

Proverb 7Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amy ny be efa lany. [2.653 #2601]
Rafotsibe lany laoka aho, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [2.415 #1892]
Rafotsibe lany laoka, ka mitsahatra amin' ny be efa lany. [2.558 #3498]
French translationJe suis une pauvre vieille qui a dépensé ses provisions de bouche : je m' arrête à ce que j' ai dépensé, cela me suffit. [2.415 #1892]

Proverb 8Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy aleo mitsahatra amin' ny efa nihinanana. [2.558 #3573]
Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy mahaleo ny mitsahatra amy ny efa nihinana. [2.653]
Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy mahaleo ny mitsahatra amin' ny efa nihinana. [2.415 #5818]
French translationCelui qui mangera dans deux maisons sans être. [2.415 #5818]

Proverb 9Tsaka rano, ka ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.558 #4394]
Tsakarano : ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.653]
Tsakarano : ny tonga aloha ihany no aloha. [2.653]

Proverb 10Tsy mitsaha-komana. [2.415 #3824]
French translationIl ne cesse pas de manger. [2.415 #3824]
French interpretationSe disait pour un travail continuel. [2.415 #3824]

Proverb 11Tsy mitsaha-tsy efa, ohatra ny ravin’ ala. [2.653]

Proverb 12Tsy mitsaha-tsy efa toa ravinala. [2.558 #4754]

Proverb 13Vato mikodiadia ka tsy mijanona tsy an-kandemponana. [2.558 #316]
Vato mikodiadia, ka tsy mitsaha-tsy an-dempona. [2.165 #110]
Vato mikodiadia : tsy mitsahatra tsy an-kandemponana. [2.415 #2417, 2.653 #3636, 2.974 #463]
French translationPierre qui roule : elle ne s' arrête que dans le creux, en bas. [2.415 #2417]
Pierre qui roule : ne s’arrête qu’au fond de l’abîme. [2.974 #463]
Une pierre qui roule ne s' arrête qu' au bas de la pente. [2.165 #110]
French interpretationSe disait des gens qui se ruinent. [2.415 #2417]

Proverbs : mitsahatra

Proverb 1Mitsaha-pilana hoatry ny mpivaro-baliha maty vady. [2.415 #2214]
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady. [2.653, 2.165, 1.1]
Mitsaha-pilana tahaka ny mpivaro-baliha maty vady. [2.558 #2492]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona izay voatery tsy fidiny hifanona amin' ny raharaha fanaony (ny mpivaro-baliha matetika dia tsy maintsy mitendritendry ny valihany roba hahahenoan' ny mpividy ny feony; tsy afaka hanao izany anefa Izy raha maty vady satria misaona). [1.1]
Enti-milaza ny olona mijanona tsy fidiny amin' ny asa fanaony. [1.1]
Enti-milaza olona voatery nijanona tsy fidiny amin' ny raharaha fivelomany fa nisy nahazo azy mifanohitra indrindra amin' io asany io. [1.1]
French translationCelui qui ne cherche plus à s' enrichir est semblable au marchand de guitares qui cesse son métier, parce qu' il est devenu veuf et que son deuil l' empêche de vendre des instruments de musique. [2.415 #2214]
Cesser son commerce, comme un marchand de "valiha" qui vient de perdre sa femme. [2.165]
French interpretationCelui qui vend ces instruments est obligé d' en jouer pour montrer leurs qualités; mais quand sa femme est morte, il cesse de jouer - donc de vendre - car autrement il aurait l'air de se réjouir. [2.165]
Se disait des gens cessant leur métier ou se contentant de leur acquis. [2.415 #2214]

Index