|
|
|
|

Entry1  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Elementary words  2 Razakandraina, 3 Jean, 4 Verdi, 5 Salomon
Part of speech  6  name (anthroponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  7 Razakandraina Jean Verdi Salomon (1913-1978) (dox [3.1]
8 Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao ny Mpanoratra. Dox, Razakandraina Jean Verdi Salomon no tena anarany. Teraka tamin'ny 13 Zanvie 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany. Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe " Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ). Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy, vao nisesy ny famoahany boky: Ny Hirako (1940), Izy mirahavavy (1946), Hira va (1948), Solemita (1949), Rakimalala (1955), larivo (1956), Voninkazon'ny Tanteraka (1956), Ny Fitiavany (1957), Apokalipsy, Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958), Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Telomiova (1960). Manampy ireo voalaza ireo, dia ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky: Ny Ombalahibemaso, Savika ombalahy, Estera, ary ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia: Le Cid, Horace ary Andromaque. Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny Novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny Zanvie 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny Jolay 1954), ka tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana. Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana. Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko. [2.313]
Explanations in French  9 Jean Verdi Salomon Razakandraina, dit Dox, poète très populaire, né à Manankavaly, où son père était médecin, le 13 janvier 1913. Il a fait ses études successivement à l'école publique d'Antsirabe, puis à Ambohijatovo et au Collège Paul Minault, où il avait commencé à écrire, étant à la tête d'un petit bulletin d'école. S'efforçant alors, autant que possible, de ne pas "aller contre l'opinion commune", en d'autres termes, ne cultivant pas particulièrement le paradoxe, il s'était plu à signer ses articles -- et ses condiciples l'appelèrent volontiers-- DOX(E) : c'est ainsi, semble-t-il, qu'il fut porté à adopter le pseudonyme de "Dox". Artiste dans le sens plein du terme, Dox a composé plusieurs chansons malgaches et a suivi des cours par correspondance de dessin et de peinture. Son talent fécond en littérature s'est exprimé
10 -- dans des poèmes: Ny Hirako (1940), Izy Mirahavavy (1946), hiravaRakimalala (1945), Iarivo (1956), Voninkazon' ny tanteraka (1956), Ny fitiavany (1957), Apokalipsy (1957), Izy mirahalahy (1958), Fahatsiarovan-tena (1958);
11 -- dans ses pièces historiques: Amina Batsola (1958), Mavo handray fanjakana (1958), Ny Ombalahibemaso, Ombalahy savika ombalahy;
12 -- ou inspirées de la Bible: Solemita (1949), Estera (1958);
13 -- ou traduites du français: Le Cid (1961), Horace (1962), Andromaque (1964) [1.11]
Vocabulary  14  History: individuals 15  Literature: authors
Literary works  16  Ali-mainty mamanala
17  Antsam-pitiavana
18  Asa izany
19  Farany
20  Feo mahery
21  Indro
22  Kintana mamony
23  Madagasikara
24  Ny Ombalahibemaso
25  Ny Varavarankelinao
26  Paiso
27  Tafatoetra
28  Teo amin' ny valsa
29  Tsikitsikinao
30  Tsy hodinganina ny maty
31  1940 Ny hirako
32  1948 Hira va?
33  1949 Solemita
34  1956 Iarivo
35  1956 Voninkazon' ny tanteraka
36  1957 Apokalipsy
37  1957 Ny Fitiavany
38  1958 Estera
39  1958 Fahatsiarovan-tena
40  1958 Izy mirahalahy
41  1958 Mavo handray fanjakana
42  1958 Ombalahy savika ombalahy
Illustrations 

Updated on 2025/12/08