Entry | 1 Antsam-pitiavana |
Elementary words | 2 antsa, 3 fitiavana |
Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 5 Literature: poems |
Author |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Full text |
7 Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako… 8 Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako… 9 Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako 10 Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… ! 11 Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko… 12 Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko ! 13 Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy ! 14 Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy ! 15 Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako ! 16 Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako! 17 Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany ! 18 Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio… 19 Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio : 20 Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany ! |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |