|
|
|
|

Entry1  Antsam-pitiavana
Elementary words  2 antsa, 3 fitiavana
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  7 
8  Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
9  Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
10  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
11  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !

12  Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
13  Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
14  Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
15  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !

16  Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
17  Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
18  Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !

19  Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
20  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
21  Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !

Updated on 2025/11/17