Entry | 1 Asa izany |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 3 Literature: poems |
Author |
4 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Full text |
5 Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny 6 Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga ! 7 Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana 8 Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga. 9 Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo 10 Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany ! 11 Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo 12 Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany. 13 Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo 14 Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo 15 Nitondra hira tamin’ny fiainako 16 Nangina hira an-taona maro! 17 Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako 18 Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko 19 Ka mivetso ny fitiavana 20 Ny antony… fantaro. |
Anagrams | 21 Asa izany, 22 isaziana |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |