|
|
|
|

Entry1  Teo amin' ny valsa
Elementary words  2  teo, 3  amy, 4  valsa
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  8  Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
9  Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
10  Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
11  Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

12  Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
13  Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
14  Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
15  Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

16  Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
17  Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
18  Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

19  Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
20  Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
21  Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Updated on 2025/09/13