|
|
|
|

Entry1  Izy mirahavavy
Elementary words  2 izy, 3 mirahavavy
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Dox
Text  7  [CR]...[CR]
8  Efa akaiky ny ririnina. Mifarana ny fararano.[CR]
9  Manodoka ny eritreritra ny lanitra manganohano.[CR]
10  Ny vodilanitra malefaka ilentehan'ny masoandro[CR]
11  Mivolombolom-batolalaka, mangarangarana handrohandro...[CR]
12  Momba ravinkazo mihintsana ny tora-bovoka, ary izany[CR]
13  Dia manetsika alahelo sy vetsovetso lozan-tany![CR]
14  Eo andavarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,[CR]
15  Vonto izato takariva ka variana dia variana...[CR]
16  Harivam-pararano mantsy, mbola ahitana taratra,[CR]
17  Mampifoha ny lahataona, mampahatsiahy ny fahavaratra;[CR]
18  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory[CR]
19  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory...[CR]
20  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana![CR]
21  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina[CR]
22  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotany[CR]
23  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...[CR]
24  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony[CR]
25  Hiaina am-panahy ny nofiny tafatsahatra famony...[CR]
26  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy anefa lahy [CR]
27  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy!.[CR]
28  [CR]
29  Mpirahavavy kambana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.[CR]
30  Hitanao mijery izany satria tapiny itoviana[CR]
31  Na ny bika na ny endrika na ny fihetsika madinika...[CR]
32  Hatramin'ny fitafy aza raha toa ianao mandinika [CR]
33  Dia hahita f'isan'andro dia tsy maintsy itoviany.[CR]
34  Angamba tapitra mitovy hatramin'izay zava-tiany![CR]
35  Tsy zazavavy intsony izy amin'izao fotoana izao[CR]
36  Fa mandia ny fahalehibeazana... Ho gaga ihany anefa ianao[CR]
37  Raha mijery azy miaraka tsy misaraka hatraiza,[CR]
38  Toa mpirahavavy kely, saiky tsy omban-tsakaiza,[CR]
39  Eny an-tsena, am-pivoriana, eny an-dalana, ao an-trano[CR]
40  Izy samy izy ihany no miaraka, tazano...[CR]
41  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo[CR]
42  Dia hamelovelo handre " piano " arahim-peo.[CR]
43  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana.[CR]
44  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana![CR]
45  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany[CR]
46  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?[CR]
47  Raha ny bika sy ny endriny fehizany indray aloha [CR]
48  Dia azo vinanina marina fa dia fanaperan-tsoa![CR]
49  Izao lehibe izao izy mbola ahitana izany.[CR]
50  Mbola mahavariana fatratra, andriandriana ny hatsarany.[CR]
51  'Njay izy maorimaorina, vaventy fa malefadefaka[CR]
52  Ka ny soroka mahitsy havanambanana fipetraka.[CR]
53  Mihodi-bola lasa fotsy, avoavo tendron'orona,[CR]
54  Ngalingaly maso izay... Mampidera ny Mpamorona[CR]
55  Hatramin'ireo volon-dohany mitofatofa olioly.[CR]
56  Rofia mijoro mavamavana, endriky ny tanimboly![CR]
57  Ry zareo'ray tanàna raha toa ilana resaka [CR]
58  Dia hilaza f'izy ireo nisy naka vady betsaka,[CR]
59  Saingy asa fa nandà hatrany hatrany hatramin'izao...[CR]
60  Mba ahoana indrindra re? Eny, ahoana, hoy ianao?[CR]
61  Zanak'olo-mpanana, hono, Rahanta sy Rambolatiana.[CR]
62  Tsy zoky, tsy zandry... Izy ihany ka dia tapi-java-tiana.[CR]
63  Nataon'ny rainy sy ny reniny kindriandriana sy lalao.[CR]
64  Nampihantaina ka nomena izao tiany rehetra izao! ,[CR]
65  Hatrizay fahakeliny tsy misaraka tokoa.[CR]
66  'Ray lalao'ray fitafy,'ray fandriana,'ray fo![CR]
67  Raha kasihina ny iray dia ny iray no tomany.[CR]
68  Niombon-javatra nanjo ary niombon-java-mamy.[CR]
69  Voninkazo indray mamony, mitovy hanitra sy felana.[CR]
70  Nony fe-ho tovovavy, indro miara fanaperana.[CR]
71  Iray faharadondradona ary iray hatasitasy.[CR]
72  Miombona fisoritra endrika, indray somary kasikasy [CR]
73  Amin'ireto voamaso andriandriana fibaliaka[CR]
74  Ary ireo laingo-molotra tia tsiky sy hehy sariaka...[CR]
75  Ny fitoviana ara-po, ara-tsaina, ara-toetra[CR]
76  Moa tsy miharihary marina amin'izay ataony rehetra![CR]
77  Ary hita ihany koa amin'ny fomba anehoany [CR]
78  Ny fitiany sy fitsarany izay rehetra anoloany[CR]
79  Fa moa va tsy mitovy hatramin'izay boky tiany?[CR]
80  Rehefa indray mamaky izy, aiza izany fifaliany![CR]
81  ....[CR]
82  Amin'ny andraisantsika ny tantarany eto ity[CR]
83  Dia diaviny ny taona famontsinan'ny Fitia...[CR]
84  Taonam-betsovetso mamy... taona itiavam-bazo,[CR]
85  Itiavana masoandro, lanitra sy voninkazo...[CR]
86  Taona feno nofinofy ho an'ny fo vao hifoha[CR]
87  Iandrandrana hasambarana hampientana ny fo![CR]
88  ....[CR]
89  Misy poety iray tiany, tiany, tena tiany indrindra [CR]
90  Tiany vetso, tiany vazo, tiany fo, tiany rindra.[CR]
91  Mila ho hainy tsianjery amin'ny poeziny rehetra...[CR]
92  Tsy mbola hitany tarehy nefa omeny toetoetra[CR]
93  Mifanaraka amin'ny vetsony. Aloalo tonga tiana![CR]
94  Eo amolotr'izy roa ny anarana indrany hoe " Riana " ...[CR]
95  Poety vao miandoha fantatra... antenaina ho lasa marina![CR]
96  Mba ianaran'izy roa ianaranarana takarina...[CR]
97  ....[CR]
98  Io harivariva io, Rahanta sy Rambolatiana[CR]
99  Indreo maka toera-mora ka variana dia variana[CR]
100  Mamaky ity gazety iray ao anatin'ny sale.[CR]
101  Toa ny poezin'ny Riana k'ifandrombahany, endrey![CR]
102  Miara-mihetsika ny molony manonona ny teny mamy.[CR]
103  Indray mientana ny fony ka midoboka aok' izany.[CR]
104  Tsy tanany ho malemilemy ny feony teo am-pamakiana[CR]
105  Ary tsy hitany aza manko fa indro olona variana [CR]
106  Niato tamin'ny diany tampoka nandre izany feo izany...[CR]
107  Ka niampify ivohon'ny ravina hiery azy avy hatrany.[CR]
108  ....[CR]
109  Indro izao ny tononkalo indray vakin'izy roa,[CR]
110  Eny, indray hirainy mihitsy amim-pientanam-po:[CR]
111  " Ny diavolanao mba aiza no tiana holanina?[CR]
112  Eo an-tobin'ny zatovo mampiady hira va?[CR]
113  Sa an-tanim-boninkazo miaraka amin'olon-tiana?[CR]
114  Sa mangina samy irery eny an-tsisintsisin-tsaha " ?[CR]
115  Eo an-tenatenany eo... , taitra, ankona izy roa,[CR]
116  Injay misy feo reny, feo ahovitry ny fo [CR]
117  Nanohy ny poezy vakiny... Tsy hitany hoe " avy aiza " anefa.[CR]
118  Reny fotsiny amin'izao, mandrotsirotsy fiantefa:[CR]
119  " Mety hafana fo ianao ka hamonjy famoloana.[CR]
120  Hiara-mihira amin'ireo mitovy taona aminao...[CR]
121  Mety hangetaheta tiana ka handeha mifamotoana[CR]
122  Eny an-tanim-boninkazo amin'izay malalanao![CR]
123  Mety hoentin'alahelo ka mamonjy moron-drano[CR]
124  Hanjono am-paravodirano volana manganohano...[CR]
125  Varian-tara-manga eo am-poto-kazomalahelo![CR]
126  Ny diavolana zatovo dia diavolana korana.[CR]
127  Ny an'ny mpifankatia dia diavolam-pihantana...[CR]
128  Ny an'izay singan-drery dia diavolan'alahelo...".[CR]
129  Tapitra eo ny tonon-kira... Niato koa ilay feo mamy...[CR]
130  Vao mainka ankona izy roa! lo nipoitra avy hatrany[CR]
131  'Lay nanonona azy niery: tovolahy bikana fatratra![CR]
132  Vao mainka hagagany loatra satria olona tsy fantratra![CR]
133  ....[CR]
134  Zarazara izay izy, mazavazava fihodirana.[CR]
135  Olioly, avo handrina, mahiratriratra ka mirana...[CR]
136  Tsy nahahetsika izy roa... Efa niala satroka izy[CR]
137  Vao indreo taitaitra, dia nitsoriaka toa ankizy.[CR]
138  ....[CR]
139  Io alinalina io, eo Raherilantosoa[CR]
140  Mandany vetsovetso irery amin'ny diavolan-tsoa[CR]
141  Izay toa mandrotsirotsy ny zaridaina fararano[CR]
142  Amin-taratra, oriory, manga sy manganohano.[CR]
143  Lasa ery ny eritreriny amin'ny endriky ny Volana [CR]
144  Eo anelanelan-taho... Ny fitiany tsy mivolana[CR]
145  Moa tsy tahaka an'iny koa? Madio ka mangarangarana[CR]
146  Nefa mbola tsy voatsapany ho miteraka hasambarana.[CR]
147  Manana endrika sariaka, nefa indrisy mangatsiaka,[CR]
148  Fitia an'eritreritra ihany, oriory fibaliaka.[CR]
149  Ny fitiany tsy mivolana? Iza anefa moa no tiany[CR]
150  Amin'ireo domohina kambana? Ny endrika amam-pitsikiany[CR]
151  Tsy tapitra mitovy va ka tsy misy hafa akory?...[CR]
152  Toy ny volana mitaha amin'ny tarany an-kamory![CR]
153  Ny fitiany tsy mivolana... Hivolana hanahoana anefa?[CR]
154  Voninkazo roa mitovy: ny fony aiza no hiantefa?[CR]
155  Samy mampientana azy ka tsy misy iray tsaroany[CR]
156  Ho mamabo azy mihoatra. Ts'isy azony fidina[CR]
157  Ka haborany amin'iza ity fitiavany mangina?.[CR]
158  ....[CR]
159  Lasa loatra ny eritreriny, lasa loatra ny vinaniny[CR]
160  'Nay iny volana iny hanatona azy ety an-taniny.[CR]
161  Zavavy soa mangatsohatso... 'Nay ho tokana hoatr'iny[CR]
162  Tsy hanahirana ny fony ny homeny ny fitiany!.[CR]
163  Kinanjo vetivety eo, nofy sa tena marina?[CR]
164  Moa nidina ny volana? Fotsy toy ny ampakarina [CR]
165  Indro manoloana azy " bika sy endrika malalany " ![CR]
166  Jambena izy, eny, safotra... nihovitra ny fo adalany![CR]
167  Dia indreo nifampitopy maso roa manganohano,[CR]
168  Mamirapiratra fitia, toy ny dobon-doharano...[CR]
169  Toy ny nofy: io Rahery fa nandray moramora [CR]
170  Ka namihina torovana'reo sandry roa bakora...[CR]
171  Dia nibanjina... nibanjina... Nanjenitra Razazavavy[CR]
172  Fararanom-pahanginana. Indro ts'isy teny avy.[CR]
173  Ny fanahy no miresaka... Inoana ny ifankahazoany ![CR]
174  Tafandohalika Rahery fa navesatra ny fony!...[CR]
175  Be loatra ny hasambarany... Mamy koa raha mamy[CR]
176  Tsy mbola nisy tamin'ny fiainany fifaliana hoatra izany...[CR]
177  Moa ny volana no nidina hanambitamby azy ety?[CR]
178  Sa izy no nanidina fa nentanin'ny Fitia?[CR]
179  Tsy tsaroany n'aiza n'aiza no nisy azy tamin'izany.[CR]
180  Olombelona izy va sa afaka amin'ny tany?[CR]
181  Nangoraka izy dia nivaha ireo sandriny nangia...[CR]
182  Niaraka amin'izay nanidina ilay zavavin'ny Fitia![CR]
183  Nielatra ny akanjo fotsiny mangatsohatso tara-bolana.[CR]
184  Badenina Razazalahy... . . ankona tsy nahavolana.[CR]
185  Indro izao Raherilanto amin'ny fo, fanahy sy sainy[CR]
186  Fa mibanjina'lay tokana izay niloka holalainy...[CR]
187  Tokana tsy mbola fantany amin'izy roa vavy,[CR]
188  Nefa hitany fa tia ka ninoany foana ho avy[CR]
189  Amin'ny toerana nihaonany iny omaly hariva iny...[CR]
190  Nohamasininy am-boady tokoa ny fitiany![CR]
191  Koa satria noheveriny ho zava-dehibe izany[CR]
192  Dia notanany ny daty hotsarovany hatrany...[CR]
193  Daty iray amin'ny fiainany, mitari-dalana ny anjarany[CR]
194  Ary daty niposahan'ny masoandrom-pahasambarany.[CR]
195  ....[CR]
196  Naka saina koa izy ka nihevitra ny hatao:[CR]
197  " Aoka ho mendrika, hoy izy,'zay kasaiko hatramin' izao ".[CR]
198  Nifohafoha ny eritreriny dia injao tsaroany koa[CR]
199  F'isaky ny fandalovany, indray miseho izy roa ...[CR]
200  Sao dia miara-tia àry, hoy ny ahiahin-tsainy[CR]
201  Ka hitarika korontana amin'ity fitia lalainy...[CR]
202  Raha izany dia tsy tsara ny handalovany intsony.[CR]
203  Efa hita sady tapaka ny lalana homban'ny fony[CR]
204  Ka handiso fanantenana ny ankiray foana izany;[CR]
205  Dia nanapa-kevitra izy fa ny takariva ihany [CR]
206  Ao anatin'ny sale no iandrasany'lay tiany.[CR]
207  Moa va re dia tsy ho to araka ny faniriany?[CR]
208  Ny fihaonana omaly, dia tena maotina, madio[CR]
209  Tsy hanan-tahotra'lay tiany fa ho avy koa anio![CR]
210  Moa va tsy iombonany izato hetaheta am-po [CR]
211  Sy faniriana am-panahy ka ny faniriany ho to?[CR]
212  ....[CR]
213  Tsy nandalo teo Rahery ny tontolo andro iny...[CR]
214  Rahanta koa dia tsy namboraka ny takarivan'ny fitiany[CR]
215  Ho fantatr'i Rambolatiana. Hokoboniny mangina[CR]
216  Hitohy tsy fantatr'iza izany na oviana na oviana.[CR]
217  Mitandrin-toetra fatratra izy tsy haneho ny toe-pony[CR]
218  Dia nivonona tokoa tsy hanindroa ny omaly intsony.[CR]
219  Namorona lahasa foana no nataony hanary dia[CR]
220  Ny fo, fanahiny sy sainy ianjadian'ny fitia...[CR]
221  Aviliny amin-java-maro ny eritreriny ho variana[CR]
222  Tsy hiangona hifantoka amin'ila' y tarehy tiany![CR]
223  Mivavaka izy hampiala ny ahiahy anatiny ao,[CR]
224  Ho tongany aiza ka hatraiza izao kirim-pony izao?[CR]
225  Moa va handresy fa hery lehibe inoany[CR]
226  Hanohana azy hatrany hatrany ny voninahiny tandroany![CR]
227  ....[CR]
228  Mbola nofinofy fotsiny, eny, am-betsovetso ihany[CR]
229  No anakaran'i Rambola izany hoe fitia izany.[CR]
230  Tsy mbola tsapany mivaingana fa manjavozavo ao,[CR]
231  Inoany anefa fa miteraka fiainana hafa, vaovao.[CR]
232  Tantara, hira, poezy maneho fitia no tsaroany[CR]
233  Mamohafoha ny fisainany sy fanahiny sy fony...[CR]
234  Andaniany eritreritra izay mba takatakany aminy![CR]
235  Mahaliana azy ery ny hahatsapa ny hamaminy...[CR]
236  Fa mamy, hono, izy izany, loharanom-pifaliana[CR]
237  Ary foto-pahasambarana rehefa tojo fitahiana,[CR]
238  Ilain'ny fo sy fanahy toy ny rano velona aminy![CR]
239  Fahazavan'ny eritreritra, voninkazony ka maminy![CR]
240  Amin'ny toa izany izy no mitranga amin'ny fiainany[CR]
241  Ny endrika mirindra indrindra amin'ny vetso amam-pisainany.[CR]
242  Hatramin'izao ny tarehy nandalo azy rehetra rehetra[CR]
243  Tsy namohafoha azy fa nandalo tsy nitoetra...[CR]
244  Niseho Riana na Rahery araky ny fantatsika[CR]
245  Dia inay ilay nofinofy fa namelana baliaka[CR]
246  Ka nameno hazavana ny fanahiny sy fony:[CR]
247  Moa tsy voninkazo anaty ny fitiavana mamony![CR]
248  Ihiran-dRambola ny fitiavany ny zava-boahary rehetra izao,[CR]
249  Ahitany fifaliana sy hazavana vaovao![CR]
250  ....[CR]
251  Tsy nandalo teo androany Raherilanto, asa lahy![CR]
252  Nangaihay ery Rambola, valabalaka am-panahy[CR]
253  Moa tsy zavatra nataony ho tena antom-pifaliana[CR]
254  Ny fahitana ny andalovan'ilay notiaviny mangina?[CR]
255  Diso izany izy androany ka tsaroany dia tsaroany[CR]
256  Ho banga taminy ny andro, nangentangentana ny fony...[CR]
257  Ka vao mainka koa ny embona mpahazo azy nihanahery,[CR]
258  Ny diavolana tsy andriny sao mba mahaverivery...[CR]
259  Alin-kely hatrany an-danitra mihamazava hatrany hatrany[CR]
260  Rambola irery no indro hitsinjo ny hiposahan'ny volana any.[CR]
261  Efa maizin-takariva. Tsy hitany fa ts'izy irery[CR]
262  No ao anatin'ny sale... Misy hafa koa miery[CR]
263  Ao anatin'ny lobolobon'ny garana midoroboka [CR]
264  Ary efa niandry teo amim-po midobodoboka.[CR]
265  Tsy iza io fa Rahery... (Nony reny nisy avy[CR]
266  Dia niafina izy aloha)... Niditra Razazavavy[CR]
267  Dia nitehina variana tamin'ny fefin'ny sale[CR]
268  Ary toa mametsovetso sy lasam-borona endrey!...[CR]
269  .....[CR]
270  Tonga aloha Raherilanto fa tsy tahaka ny omaly[CR]
271  Satria nentanim-po maika, sady dodona no faly...[CR]
272  Dia nipoitra moramora ny volana; ary tamin'izany[CR]
273  Inao feo mihirahira manonona ny teny mamy.[CR]
274  Ankona Rambolatiana, tsy nahahetsika intsony,[CR]
275  Nientanentana indray ny fanahiny sy fony...[CR]
276  Hoy'ilay tonom-peo fantany mandrotsirotsy toa mozika[CR]
277  Miaraka amin'ny fisandratry ny volana baliaka;[CR]
278  [CR]
279  " Nde hiaraka hijery ny volana hipoitra any[CR]
280  Amin'ny ora mahafeno alahelo ny éto an-tany;[CR]
281  Raha mitovy fo amiko ianao, ry zanak'olona,[CR]
282  Ndeha isika hiara-hitsinjo ny fiposaky ny volana![CR]
283  [CR]
284  " Mangamanga volon-tsetroka izao ny habakabatsika.[CR]
285  Raha toa mitovy volo tokoa ny nofinofintsika,[CR]
286  Dia hiaraka hianoka amin'ny taratra voalohany:[CR]
287  Zazavavy soa loatra ny volana amin'ny volon-dohany![CR]
288  [CR]
289  " Mba jereo ny farihy itarafany mangina.[CR]
290  Moa mientana ianao, ory sa am-pifaliana[CR]
291  Eo am-pijerena izany? Tiako ho fantatra tokoa![CR]
292  [CR]
293  " Izaho kosa dia mivetso endrika efa nolalaiko.[CR]
294  Volana ao anaty rano! Moa ny endrikao, ry Aiko,[CR]
295  Tsy mitaratra ao am-poko toy ny volana eroa " ?[CR][CR]
296  ....[CR]
297  " Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako,[CR]
298  Vahatr'aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako...[CR]
299  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako,[CR]
300  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako![CR]
301  [CR]
302  " Fa fitiavako ianao, ... eritreritro, fanahiko;[CR]
303  Tsy hisaraka amiko, eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko,[CR]
304  Tompon'ny safidim-poko, manapaka ny momba ahy,[CR]
305  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy:[CR]
306  [CR]
307  " Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako,[CR]
308  Hira ao am-poko izany ka nasandratro eo am-bavako,[CR]
309  Hira mamiko indrindra, ô ka hirako hatrany![CR]
310  [CR]
311  " Fa fitiavako ianao, e fitiavako madio,[CR]
312  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio:[CR]
313  Ho fitiavako ianao, mandra-podiko ho tany...".[CR]
314  ....[CR]
315  Io tolakandro io Rahanta, raha teo an-jaridaina,[CR]
316  Namboamboatra voninkazo dia mba lasalasa saina[CR]
317  Asa asa fotsiny eo izay namohafoha ny fony,[CR]
318  Tsy nataony hotsahivina nefa indro lahy tsaroany[CR]
319  F'iray volana androtr'io iny diavolana iny![CR]
320  Tafafoha indray ka nihovitra tao anaty ny fitiany![CR]
321  Ataony ahoana!... Ataony ahoana ny vetsovetso miolomay?[CR]
322  Indro izy fa nisokitra amin'ny vodihazo iray[CR]
323  Ny daty vao tsaroany eo ary mbola hotsaroany...[CR]
324  Daty nampifoha azy tamin'ny torimasom-pony![CR]
325  ....[CR]
326  Fararano fenomanana manganohano sady tony...[CR]
327  Rahery, Rambola indreo mampianoka ny fony[CR]
328  Eo am-bodihazo iray... Efa misy azy ery![CR]
329  Sambatra tokoa manko, safononoka fitia!...[CR]
330  ...[CR]
331  Io no tiany fidoroboka amin'ny hazo rehetra eo.[CR]
332  ( Teo koa Rahanta irery no variana anikeheo...)[CR]
333  Finaritra Rambolatiana maneho fitia tsy hita intsony[CR]
334  Tomaratra amin'ny endriny ny hasambarana ao am-pony;[CR]
335  Mijery azy ampamiratin'ny fanahim-pifaliana [CR]
336  Raherilanto ka finaritra sy sond.riana dia sondriana.[CR]
337  Niomanany mialoha ny handronjina am-panahy[CR]
338  Sy am-po'ty olon-tiany hifohafoha ka hahatsiahy[CR]
339  Ny datin'andro izay nihaonany voalohany hoatr'izao...[CR]
340  Androtr'io, hono, izany vao'ray vola-mitatao...[CR]
341  Daty efa nohamasininy fa niorenan'ny fitiany,[CR]
342  Tiany hajoro ho tadidy dieny fe-ankehitriny.[CR]
343  Nataony ity Rambolatiana hahatsiaro, kanjo... asa,[CR]
344  Sondriana dia sondriana angaha ka tsy miherika ny lasa...[CR]
345  Indro izy fenofeno hampahatsiahy'ty olon-tiana:[CR]
346  " Mba tsy hohadinoinao na oviana na oviana[CR]
347  Dia sokiriko eto anio sy ao anatin'ny fonao[CR]
348  Ny datin'andro nanorenako ny fitiavako aminao... ".[CR]
349  Ndeha hisikotra azy manko nefa ankona nahita[CR]
350  Fa ny zavatra nokasainy indro zavatra efa vita...[CR]
351  Nofihininy Rambola ka tsy gagagaga moa![CR]
352  Nientana izy: " Hay, hoy izy, efa vitanao mialoha " ?[CR]
353  Vao mainka gaga koa Rambola noho izy tsy nanao [CR]
354  Io sikotra eo io, sady izay tsy mitatao[CR]
355  Ho'ray volana tanteraka raha tsy ny ampitso koa [CR]
356  Ny nihaonana voalohany nanolorana ny fo...[CR]
357  Ary ho porofo aza fa tsaroany tsisy very[CR]
358  'Reo teny tamin'izay dia voaveriny tsianjery...[CR]
359  Teo dia safotra Rahery nahatakatra avy hatrany.[CR]
360  Fanina izy... nihodina aminy ny habakabaka aman-tany [CR]
361  Miharihary izao ny marina ka mivaingana ao an-dohany:[CR]
362  Tsy Rambola hay akory'lay nihaonany voalohany[CR]
363  Ka nataony hanorenana ny fitiavany tokoa [CR]
364  Araka ny voady masina nianianany tam-po![CR]
365  Indro velona an-tsainy ny lalan'ny fitia nodiaviny:[CR]
366  Rahanta no namoha ny fony ka Rambola ity no tiaviny,[CR][CR]
367  Fa tiany izao Rambolatiana, tiany koa raha tiany,[CR]
368  Zary anton'ny fiainany ary hany fifaliany...[CR]
369  ....[CR]
370  Fitiavana efa tsy tanteraka nefa andraindrain-doria?[CR]
371  Asa izay filaza izany: hadalana? sanatria![CR]
372  'zaho kosa dia milaza fa fitia tsaroana indrindra[CR]
373  ny fitiavana tsy to, tsy mba afaka nirindra...[CR]
374  [CR]
375  Eo an-davarangany eo Rahanta sy Rambolatiana,[CR]
376  Vonto izato takariva ka variana dia variana.[CR]
377  Harivarivam-pararano manko mbola ahitana taratra [CR]
378  Mampifoha ny lohataona, mampahatsiahy ny fahavaratra[CR]
379  Nefa koa ahatsinjovana ny manga am-bodilanitra ory[CR]
380  Hiavian'ny ririnina tsy ho ela intsony akory.[CR]
381  Rahanta sy Rambolatiana indreo mangina fa variana...[CR]
382  Mitovy anefa ny eritreriny sy ny vetsony mangina [CR]
383  Mitopy itsy volon-danitra, mijery izato tokotan[CR]
384  Misimisy ahatsiarovany ny fahatanorany lany...[CR]
385  Ny volon'andro tahaka izao manetsiketsika ny fony[CR]
386  Hiaina am-panahy ny nofiny, tafatsahatra famony...[CR]
387  Tsy nofy akory, diso aho, tena nisy nefa lahy...[CR]
388  Tsy niainany ara-nofo, tam-panahy dia tam-panahy.[CR]
389  [CR]
390  Izay mandalo harivariva eo anilan-tranony eo[CR]
391  Dia mamelovelo handre " piano " arahim-peo[CR]
392  Mikalokalo harivariva Rahanta sy Rambolatiana,[CR]
393  Kalon'olon-diso nofy manakoako fahoriana![CR]
394  Zazavavy nanahoana tamin'ny fahatanorany[CR]
395  Ireo mpirahavavy ireo no dia tsontsa tahaka izany?...[CR]

Updated on 2025/11/13