|
|
|
|

Entry (1/2)1  tafatoetra
Root  2 toetra
Part of speech  3  participle
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  4 qui s'est placé, qui s'est assis [1.3]
Examples  5  Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy. [2.48]

Entry (2/2)6  Tafatoetra
Elementary words  7 tafatoetra
Part of speech  8  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  9  Literature: poems
Author  10 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  11  [CR]
12  Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
13  Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
14  Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
15  Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …

16  Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
17  Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
18  No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
19  Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

20  Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
21  Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
22  Fa mampita hazavana mampionona fanahy …

23  Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
24  Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
25  Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!

Anagrams  26 tafatoetra, Tafatoetra

Updated on 2025/11/13