Entry Feo mahery
Part of speech   name (poem title)
Author   Razakandraina Jean Verdi Salomon
  
Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena,
Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ...
Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena !
Kanefa aza very toky, matokia!

Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha,
Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy!
Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo;
Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny …

Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ...
Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana
Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha.

Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana!
Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana!
Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo!
Vocabulary  
Tables and plates   All the titles

Updated on 2016/08/22