|
|
|
|

Entry1  Ali-mainty mamanala
Elementary words  2 alina, 3 mainty, 4 mamanala
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7 Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  8  [CR]
9  Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry,
10  Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry;
11  Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana,
12  Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana!

13  E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory,
14  Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory,
15  Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany,
16  " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany.

17  Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby,
18  Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby?
19  Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony!
20  Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony!

21  Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana,
22  Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana,
23  Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa ,
24  Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa!

25  Nefa izao dia mamanala izato alina mavany ,
26  Erika sy patrakala no nanondraka ny tany;
27  Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy,
28  Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy!

29  Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry,
30  O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry!
31  Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha,
32  Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha!

33  O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko,
34  Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko?
35  Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana,
36  Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana?

37  Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay,
38  Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay;
39  Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento,
40  Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento.

Updated on 2025/11/13