Entry (1/2) | 1 indro |
Part of speech | 2 adverb [Full list] |
Explanations in Malagasy |
3 [1.1] Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao |
Explanations in English |
4 [1.2] behold! Lo! Here! This is it! See indry. 5 [1.7] behold! look! there he (she, it) is! |
Explanations in French |
6 [1.3#280] voici, voilà 7 [1.8] le (la) voilà |
Examples |
8 [2.4] indro ny volanao.
9 [2.298] indro avereno izy! |
All compound words |
|
Entry (2/2) | 11 Indro |
Part of speech | 12 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 13 indro |
Vocabulary | 14 Literature: poems |
Author |
15 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Full text |
16 Indro ny Zanakavavin’ny Alina 17 Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina… 18 ‘Ndeha handro izy iny… 19 Ny volony lava toa setroka oly, 20 Ny maso baliakany toa hanangoly… 21 Mandrendri-bahiny!… 22 Mba mahina angaha sao misy mahita 23 Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita 24 dia indro tokoa… 25 Ingahy masoandro misalotra mena 26 malaina handao an’ity fijerena 27 An-dRavolana soa!… 28 Dia indro fa nihaona ny masony roa 29 Ka menatra indrindra Ravolana soa 30 Noraisiny haingana 31 ‘lay rahona kely mba sendra nandalo 32 ho enti-manafy an’ity tena mimalo 33 tsy ho hita mivaingana… 34 Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava… 35 Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava! 36 …Dia tena nitranga! 37 Nisosa malako, nandeha nilomano 38 namaky ny ony ‘zay manganohano: 39 Ny lanitra manga! |
Anagrams | 40 indro, Indro, 41 ondry |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |