| Entry (1/2) | 1 tsikitsikinao |
| Root | 2 tsiky |
| Part of speech | 3 noun tsikitsiky and pronoun |
| Examples |
4 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
[1.291]
|
| Entry (2/2) | 5 Tsikitsikinao |
| Part of speech | 6 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 7 Literature: poems |
| Author |
8 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Full text |
9 10 Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana… 11 Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany… 12 Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana… 13 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! 14 Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana, 15 Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana, 16 Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana, 17 Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana ! 18 Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao 19 Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao 20 Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany ! 21 Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny 22 Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny, 23 Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany ! |
| Anagrams | Tsikitsikinao, tsikitsikinao |
| Updated on 2025/11/21 |
|