Index

Proverbs : tahotra

Proverb Anaovana aro riaka raha maina andro, hialofana raha fahavaratra. [Rinara 1974 #204]
Anaovana aro riaka raha main’ andro: ny tahotry ny ho lena fahavaratra. [Cousins 1871 #164]
Ny anaovako aro riaka raha main' andro, ialofako raha fahavaratra. [Rinara 1974 #185]
Ny anaovana aro riaka main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Cousins 1871 #2152, Nicol 1935 #224]
Ny anaovana aro riaka raha maina andro, tahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Rajemisa 1985]
Ny anaovana aro-riaka raha main' andro, matahotra ny ho lena raha fahavaratra. [Houlder 1895 #1267]
Malagasy interpretation Enti-milaza fahamalinana sy fitsiniovana ny ho avy. [Rajemisa 1985]
French translation C’est pendant le beau temps qu’on se prémunit contre les ondées de l’orage. [Nicol 1935 #224]
Si l' on construit des digues pendant la saison sèche, c' est parce qu' on craint l' eau qui viendra en été. [Houlder 1895]
French interpretation Se dit de toute précaution ou mesure qu' on prend en vue de l' avenir. [Houlder 1895]

Proverb Arahaba mamba : tsy fitia fa tahotra. [Nicol 1935 #196]
Aza manao arahaba mamba: tsy fitia, fa tahotra. [Cousins 1871 #420, Houlder 1895]
French translation Ne saluez pas comme on salue un caïman: ce ne serait pas de l'amitié, mais de la peur. [Houlder 1895]
Saluer le caïman, ce n’est pas amour, c’est crainte. [Nicol 1935 #196]

Proverb Lehibe mifanaiky, mifanaiky aman-kenatra, kely mifanaiky, mifanaiky aman-tahotra. [Rinara 1974 #118]
Lehibe no manaiky : asesiky ny henamaso, kely no manaiky : ampihorohoroin' ny tahotra. [Rinara 1974 #120]
Lehibe no manaiky : tsy fitia, fa henamaso ; kely no manaiky : tsy fitia, fa tahotra. [Veyrières 1913 #774, Cousins 1871 #1357]
Ny lehibe no manaiky : henatra, ny kely no manaiky : tahotra. [Rinara 1974 #3080]
Ny lehibe no manaiky, ny henatra ; ny kely no manaiky, ny tahotra. [Houlder 1895 #1386, Veyrières 1913 #663]
French translation C' est la honte qui fait obéir les grands, et la peur qui fait obéir les petits. [Veyrières 1913 #663]
Les grands cèdent à la honte, et les petits à la peur. [Houlder 1895]
Si les grands obéissent, c' est par honte et respect humain et non par affection ; et si les petits obéissent, c' est par crainte et non par affection. [Veyrières 1913 #774]

Proverb Manatsafa ny kely, toa mirehareha, manatsafa ny lehibe, toa diso tahotra. [Rinara 1974 #2046]

Proverb Ny ahiahy tsy mampanana. [Veyrières 1913 #5712, Cousins 1871 #2126]
Ny ahiahy tsy mampanana, ny tahotra mampihemotra. [Rinara 1974 #2830]
French translation Les soucis et les soupçons n' enrichissent pas. [Veyrières 1913 #5712]
French interpretation Il ne faut pas être trop craintif pour réussir. [Veyrières 1913 #5712]

Proverb Ny horohoro tsy mahaleo ny tahotra. [Cousins 1871 #2270]
Ny horohoro tsy mba mahaleo ny tahotra. [Houlder 1895 #923]
French translation La crainte est plus forte que l' appréhension. [Houlder 1895]

Proverb Ny lehibe no manaiky, ny henatra ; ny kely no manaiky, ny tahotra. [Nicol 1935]
French translation Si le grand obéit, c’est qu’il se respecte; si le petit obéit, c’est qu’il a peur. [Nicol 1935 #104]

Proverb Ny tahotra an' Andriamanitra mahafaka ny tahotra ny olombelona. [Veyrières 1913 #44]
French translation La crainte de Dieu chasse la crainte des hommes. [Veyrières 1913 #44]

Proverb Saboha midin-kariva : na tay ho enti-miady aza, fanala-tahotry ny osa. [Cousins 1871 #2812]
Saboha midin-kariva : na tsy ho enti-miady aza fanala tahotry ny osa. [Rinara 1974 #3770]

Proverb Sola mielo diavolana, tsy tahotry ny danik' andro, fa fahazarana aninkeheo. [Rinara 1974 #3934]

Proverb Taho-bozona. [Veyrières 1913 #5727]
French translation Acquiesser à tout par la crainte qu' on a pour son cou. [Veyrières 1913 #5727]
French interpretation La crainte d' être mis à mort fait consentir à tout. [Veyrières 1913 #5727]

Proverb Tsy mety raha saro-taho-biby, ka tia katsakatsaka. [Veyrières 1913 #5736, Rinara 1974 #4674, Cousins 1871 #3486]
French translation Quand on a peur des bêtes, il ne faut pas courir partout dans le désert et la forêt. [Veyrières 1913 #5736]
French interpretation Il ne faut pas s' exposer au malheur. [Veyrières 1913 #6308]

Proverb Tsy tahotra tsy henatra. [Veyrières 1913 #3086]
French translation Sans crainte ni vergogne. [Veyrières 1913 #3086]

Proverb Vovòn' alika tsy hery fa tahotra. [Cousins 1871, Houlder 1895, Nicol 1935, Rajemisa 1985]
Vovòn' amboa, tsy hery fa aro-tena. [Veyrières 1913]
Vovòn' amboa : tsy hery fa tahotra. [Veyrières 1913, Rinara 1974]
Malagasy interpretation Enti-milaza ireo tsy maty am-bavany nefa maivana ady. [Rajemisa 1985]
Entina milaza ireo be vava izay be feo fotsiny nefa kanosa tsy sahy miroso hifanandrina. [Rajemisa 1985]
French translation Aboiement de chien: ce n'est pas courage mais peur. [Nicol 1935 #40]
Ceux qui ont le verbe haut, mais peu de courage, sont semblables au chien qui aboie non par force et courage, mais par peur et pour se sauver. [Veyrières 1913 #6058]
Des aboiements de chien: ce n' est pas de la force, c' est de la peur. [Houlder 1895 #810]

Index