Proverbs : hatezerana

Proverb5117 Ny fitiavana : sakaizan' ny rariny fa ny hatezerana fati-dran' ny heloka . [Rinara 1974 #3008]

Proverb5158 Ny hatezerana misy famavany , ny hafaliana misy elanelany . [Veyrières 1913 #5298, Cousins 1871 #2254]
French translation La colère a des noeuds et la joie a des intervalles. [Veyrières 1913]
French interpretation Il y a des intermittences. [Veyrières 1913]

Proverb5216 Ny kely tsy lany hadalana , ny lehibe tsy lany hatezerana . [Rinara 1974 #3040]

Proverb5552 Ny tendrom-po tsy mba namana ary ny hatezerana sakaiza mpamitaka . [Rinara 1974 #3275]

Proverb6326 Reniakoho lasan-tsintsina , ka hagagana no hita. [Veyrières 1913 #5776]
Reniakoho nopaohin-tsintsina : ny hatezerana tsy misy, fa fahagagana no sisa. [Veyrières 1913 #5777, Cousins 1871 #2782]
Reniakoho nopaohin-tsintsina : ny hatezerana tsy misy fa ny hagagana no sisa . [Rinara 1974 #3745]
Reniakoho nopaohin-tsintsina : ny hatezerana tsy nisy, fa fahagagana no hita. [Houlder 1895 #976]
French translation Poule mère prise par un petit oiseau tsintsina : elle en est dans l' ébahissement. [Veyrières 1913 #5776]
Poule mère sur laquelle a fondu un petit oiseau tsintsina : elle ne se met pas en colère, mais elle est étonnée. [Veyrières 1913 #5777]
Une poule à laquelle un passereau a raflé quelque chose: elle n' est pas fâchée mais seulement étonnée. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait de l'audace des trop petits. [Veyrières 1913 #5777]

Proverb6459 Sakondry taitry ny antsiantsy , ka ny mipetraka no hatezerany . [Rinara 1974 #3822]
Sakondry taitry ny antsiantsy : mipetraka no hatezerana . [Cousins 1871 #2841]

Index