|
|
|
|

Index

Proverbs : mahamay

Proverb 1Aleo homam-boatavo mahamay sa aleo adala havana? [2.415 #1050]
French translationLequel est préférable : manger une citrouille brûlante ou avoir des parents insensés? [2.415 #1050]
French interpretationSe disait des parents qui créaient des ennuis par leur conduite. [2.415 #1050]

Proverb 2Antsontsany hoatry ny fihinanana fadin-kena : hanina mafana, mandoro ; hanina mangatsiaka, miraikitra amin' ny lanilany. [2.415 #5644]
Antsontsany ohatra ny fihinana fadin-kena : hanina mafana, mandoro; haninahanina mangatsiaka, miraikitra amy ny lanilany. [2.653]
Antsontsany ohatra ny fihinanana fadin-kena : hanina mahamay mandoro, hanina mangatsiaka, miraikitra an-danilany. [2.558 #292]
French translationChercher difficultés et querelles comme l' intérieur de boeuf, quand on le mange : chaud, il brûle ; froid, il s' attache au palais. [2.415]
French interpretationIl faut en tout un juste milieu ; ce proverbe se disait des gens trop hésitants. [2.415 #1198]
Se disait des personnes difficiles de caractère. [2.415 #5644]

Proverb 3Fantaro ny toe-javatra, fa ao am-pon’ ny vilany, mahamay; ny ao am-pon’ ny siny, mangatsiaka. [2.653 #929]
Ny am-pon’ ny siny mangatsiaka, fa ny am-pon’ ny vilany mafana. [2.653 #2149]
Ny am-pon' ny siny mangatsiaka, fa ny am-pon' ny vilany mahamay. [2.558 #2864]
Ny ao am-pon' ny siny mangatsiaka, fa ny ao am-pon' ny vilany mahamay. [2.165]
Ny ao am-pon' ny siny mangatsiaka, ny ao ampon' ny vilany mahamay. [1.1]
Ny ao am-pon' ny vilany mahamay, ny ao ampon' ny siny mangatsiaka. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny fahasamihafan' ny toetran' ny olona na ny toetran' ny zavatra. [1.1]
Enti-milaza ny fahasamihafan' ny zavatra na dia mitovitovy ety ivelany aza, arakaraka ny toetra nikendrena azy na ny asa iandraiketany avy. [1.1]
French translationCe qui est dans la cruche est froid, mais ce qui est dans la marmite est chaud. [2.165]
French interpretationPourtant les deux sont en argile. [2.165]

Proverb 4Fihinan' akotralahy : ny mahamay tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy hafanaina. [2.558 #1157]
Fihinan’ ankotralahy : ny mafana tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy afanaina. [2.653 #957]
Fihinan' ankotralahy : ny mafana tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy hafanaina. [2.415 #2077]
French translationRepas de simples soldats : ils ne soufflent pas sur ce qui est trop chaud pour le faire refroidir, et ils ne font pas chauffer ce qui n' est pas assez chaud. [2.415 #2077]
French interpretationSe disait des gens de peu de portée et de ceux qui ne voulaient se donner aucune peine. [2.415 #2077]

Proverb 5Isika izao dia toy ny tantanana sy riandriana, ka ela nahitana ny mahamay. [2.558 #1451]
Isika tahaka ny tantanana sy riandriana: ela nahita ny mahamay. [2.653 #1151]
Isika tahaky ny tantanana sy riandriana : ela nahita ny mahamay. [2.415 #5179]
French translationNous sommes comme le marteau et l' enclume : nous avons vu longtemps le feu brûlant. [2.415 #5179]
French interpretationParoles dites par des compagnons ou amis : les malheurs que nous avons endurés n' ont pas altéré l' accord qui règne entre nous. [2.415 #5179]

Proverb 6Ny fitia tsy fanao mody voky, na mody iavonana toa varin' amboa mahamay. [2.558 #3003]

Proverb 7Ny manjaka toy ny afo : halavirina mangatsiaka, hatonina : mahamay. [2.558 #3121]
Ny manjaka toy ny afo ; ka raha halavirina mahamangatsiaka, ary raha hatonina akaiky mahamay. [2.415 #231]
Ny manjaka toy ny afo : raha halavirina, mahangatsiaka ; ary raha akekena, mahamay. [2.653 #2329, 2.974 #273]
Ny mpanjaka toy ny afo: raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay. [2.165 #1398]
French translationLes grands sont comme le feu : loin d’eux, vous avez froid; près d’eux, vous prenez feu. [2.974 #273]
Le souverain est comme le feu : ceux qui sont loin de lui n' ont pas part à ses bienfaits, ils ont froid ; mais ceux qui sont auprès de lui obtiennent ses faveurs, ils ont chaud. [2.415 #231]
Le souverain est comme le feu: si on s' en éloigne, on a froid; et si on s' en rapproche, on se brûle. [2.165]

Proverb 8Odian-tsy tiana ohatra ny varin' amboa mahamay. [2.558]
Odian-tsy tiana, tahaka ny varin’ amboa mahamay. [2.653]
Odian-tsy tiana tahaky ny varin' amboa mahamay. [2.415 #5127]
French translationQu' on fait semblant de ne pas aimer, comme le chien a l' air de ne pas aimer son riz trop chaud. [2.415 #5127]
French interpretationSe disait du jeu de l'amour ; se disait aussi de ceux qui feignaient de ne pas vouloir acheter, ou faire un contrat. [2.415 #5127]

Proverb 9Rafara tsy tia mangatsiaka, ka aokaRafotsiraivo no hanao izay marimaritra iraisana. [2.558 #3697]
Ramatoa tsy tia mahamay, Rafara tsy tia mangatsiaka, dia aokaRafotsiraivo no hanao izay marimaritra hiraisana. [2.415 #1782, 2.653 #2735]
French translationL'aînée n' aime pas le chaud, la dernière n' aime pas le froid ; il faut donc que la cadette, pour les mettre d' accord, fasse une température moyenne. [2.415 #1782]

Proverb 10Ramatoa tsy tia mahamay. [2.558 #3696]

Proverb 11Sola mitanina andro, ka any an-doha no mahatsiaro mahamay aloha. [2.415 #5625]
Sola mitanina andro : ny loha efa mahamay, fa ny tena mbola mangatsiaka. [2.415 #5626]
Sola mitanin' andro: ny loha efa mahamay, fa ny tena mbola mangatsiaka. [2.653 #2927]
Sola mitanin' andro : ny loha efa mahamay, nefa ny tena mbola manara. [2.558 #3938]
French translationChauve qui se chauffe au soleil : c' est sa tête qui sent la première la chaleur. [2.415 #5625]
Chauve qui se chauffe au soleil : sa tête est brûlante, et sa personne est froide. [2.415 #5626]
French interpretationSe disait des gens en colère. [2.415 #5626]
Se disait des gens rouges de colère. [2.415 #5625]

Proverb 12Takatra mody hariva ka samy may amin' ny mahamay azy. [2.558 #4004]

Proverb 13Tanana eo an-jorony efatra, ohatra ny fihinam-boatavo mahamay. [2.653]
Tanana eo an-jorony efatra toy ny fihinam-boatavo mahamay. [2.558]

Proverb 14Voatavo mahamay ka tsy hanin-jaza sarotra an-kanina. [2.558 #4999]

Index