Proverbs : tsinay

Proverb873 Aza dia miolika hoatry ny tsinain' ondry ; fa aoka mba ho tsotra hoatry ny tsinaim-balala . [Veyrières 1913 #4974]
Aza dia miolika loatra ohatry ny tsinain' ondry , fa ataovy tsotra toy ny tsinaim-balala . [Rinara 1974 #442]
Aza dia miolika ohatra ny tsinain’ ondry ; fa aoka mba ho tsotra ohatra ny tsinaim-balala . [Cousins 1871]
French translation Ne soyez pas sinueux comme les boyaux du mouton mais simple comme les intestins de la sauterelle. [Veyrières 1913 #4974]

Proverb1191 Aza manao tsinay homan' aty. [Veyrières 1913 #960, Houlder 1895]
French translation Ne soyez pas l' intestin qui mange le foie. [Veyrières 1913 #960]
Que les intestins ne dévorent pas le foie. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait des enfants d' un même sein, qui se dénigraient et se faisaient du tort ; des membres d'une même famille ou d' un même village, qui se nuisaient ou se dénigraient. [Veyrières 1913 #960]
Se dit de deux amis ou parents dont l'un ferait du mal à l'autre. [Houlder 1895]

Proverb2155 Folihala mampita hady : ny tsinay no fetra . [Veyrières 1913 #3675, Cousins 1871 #981]
Folihala miampita hady ka ny tsinay no fetra . [Rinara 1974 #1191]
French translation Araignée qui veut franchir un fossé : ses intestins sont à la mesure de son élan. [Veyrières 1913 #3675]
French interpretation Allusion au fil projeté par l' araignée ; cette comparaison se disait du travail et de la force de résistance. [Veyrières 1913 #3675]

Proverb2191 Fotsy tsinay manan-tiana . [Veyrières 1913 #3004, Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Noana fa natakalo fitiavana ny fahavokisana. [Rajemisa 1985]
French translation Qui meurt de faim parce qu' il se ruine pour une femme qu' il aime. [Veyrières 1913 #3004]

Proverb3020 Lambolahy mihotahota vony : izay mainty tsinay marin-dia . [Rinara 1974 #1716]
Lambolahy nihotahota vony: izay mainty tsinay marin-dia . [Cousins 1871 #1318]

Proverb5226 Ny kibo tsy mba lamosina . [Rajemisa 1985]
Ny kibo tsy mba lamosina ary ny tsinay tsy mba vatsy . [Rinara 1974 #197]
Ny kibo tsy mba lamosina ; tsinay tsy mba vatsy ; enti-miady an-dilana. [Cousins 1871 #2286]
Tsinay tsy mba vatsy , kibo tsy mba lamosina . [Houlder 1895 #1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza fa tsy maintsy misakafo mba hahavelona azy ny kibo, ka araka izany, raha misy atao na ampanaovin' olona na ataon' ny tena samy irery, izay tokony hivelomana tsy azo hadinoina. [Rajemisa 1985]
Ny tiana holazaina amin' izany dia ny hoe: malemilemy ny kibo fa tsy mba mafy sahala amin' ny lamosina, hany ka tsy mba maharinoana. (Matetika io ohabolana io no tovonana tapany manao hoe: ny tsinay tsy mba vatsy). [Rajemisa 1985]
French translation Les intestins ne sont pas des aliments (litt. provisions de voyage), le ventre n' est pas le dos. [Houlder 1895]
French interpretation Proverbe souvent employé pour marquer la nécessité qu' il y a de manger, d' avoir des moyens d' existence suffisants. [Houlder 1895]

Proverb6582 Singam-bolo : am-bava singotry ny lela , voatelina singotry ny tsinay . [Rinara 1974 #3891]

Proverb7804 Tsinay homan-tena toa labozy . [Rinara 1974 #287]

Proverb7805 Tsinaim-balala , ka tsoa-tokana ihany. [Veyrières 1913 #3314, Rinara 1974 #286, Cousins 1871]
French translation Intestins de sauterelles : ils s' arrachent en une seule fois. [Veyrières 1913 #3314]
French interpretation Se disait des affaires faciles. [Veyrières 1913 #3314]

Proverb7806 Tsinay misingotra aman' aty. [Veyrières 1913 #1167]
French translation Frères et soeurs d' une même mère, c' est comme les intestins et le foie. [Veyrières 1913]

Proverb7807 Tsinay tsy mivora-poana . [Houlder 1895 #1984, Cousins 1871 #3307]
Tsinay tsy mivora-poana , fa ao ny be efa nohanina . [Rinara 1974 #288]
French translation Les intestins ne s' étendent pas tout seuls. [Houlder 1895]
French interpretation Il faut y mettre quelque chose. [Houlder 1895]

Index