Index

Proverbs : morona

Proverb 1Antsotry morona, saiky tsy namoa ka mifaoka amin' ny tany. [1.147 #A93]

Proverb 2Boka milomano : tafita vao ana. (tsy misy hiakarana ny morona). [2.558 #61]
Boka milomano: tafita vao maty. [2.415 #1969, 2.653 #794]
Boka milomano: tafita vao rendrika. [1.1]
Boka nilomano ka tafita vao rendrika. [2.558 #942]
Boka nilomano: tafita vao maty. [2.165 #2036]
Lomano-boka: tafita vao rendrika. [1.1]
Tafita vao rendrika toy ny lomano-boka. [2.558 #3968]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin' ny ho tonga amin' izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan' ny sampona tsy azo anoarana). [1.1]
Enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsara hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa-mamikitra ny tanany. [1.1]
French translationLépreux qui nage: il arrive à l'autre bord pour mourir. [2.415 #1969]
Un lépreux nageant (pour traverser une rivière): il meurt après avoir atteint l' autre bord. [2.165]
French interpretationParce qu' il ne parvient pas à monter la berge escarpée, manquant de doigts pour saisir les herbes qui lui aideraient à grimper. [2.165]
Se disait des malheureux: le lépreux ne peut pas s'accrocher au rivage pour monter. [2.415 #1969]

Proverb 3Mpilomano tsy mahay, ka tsy manalavitra ny lakana (morona). [2.558 #2621]
Mpilomano tsy mahay rano (izahay), ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.653 #1986]
Mpilomano tsy mahay rano, ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.415 #818]
French translationNous sommes des nageurs ne sachant pas bien nager : nous ne nous éloignerons pas de la pirogue. [2.415 #818]
French interpretationCe proverbe disait la nécessité d' un appui. [2.415 #818]

Proverb 4Nefa aho tsy dia tevan-tia hena, na mamba tia morona. [2.653 #2098]
Nefa aho tsy tevan-tia hena, na mamba tia morona, ka aza ratsy fijery. [2.558]

Proverb 5Tsy mba ny bibilava matahotra ny morona, fa ny amalona zatra ny rano. [2.558 #4550]

Index