Index

Proverbs : varatra

Proverb Aza atao hazo lazoin’ ny varatra: malazo mbamin-draviny, maina mbamy ny vatany, ary fohatra mbamy ny fakany. [Cousins 1871 #349]
Aza atao hazo lazoin' ny varatra : malazo mbamin-draviny, maina mbamin' ny vatany, ary fohatra mbamin' ny fakany. [Veyrières 1913 #2586]
Aza atao hazo lazoin' ny varatra : malazo mbamin' ny raviny, maina mbamin' ny vatany, ary fohatra mbamin' ny fakany. [Rinara 1974 #400]
French translation Qu'on ne le traite pas comme l' arbre flétri par la foudre : les feuilles sont fanées, le tronc desséché, les racines abîmées. [Veyrières 1913 #2586]
French interpretation Il faut traiter les gens avec ménagements. [Veyrières 1913 #2586]

Proverb Izaho tsy avo feo noho ny varatra, ary be feo noho ny rohona. [Rinara 1974 #101]
Izaho tsy avo feo noho ny varatra, ary tsy be feo noho ny rohona. [Cousins 1871 #1165]

Proverb Lasa ny varatra vao mitsako havozo. [Rinara 1974 #1752]

Proverb Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak’ amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-drano. [Cousins 1871 #1500]
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak' amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano. [Houlder 1895]
Manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manambady ny fohy, mitahiry tapak' amponga ; manambady ny loza, mitahiry varatra an-trano. [Veyrières 1913 #1205]
French translation Celui qui épouse une femme grande, n' a plus besoin d' emprunter une échelle; celui qui épouse une femme courte, a un tambour sous la main; celui qui épouse une femme violente, a la foudre chez lui. [Houlder 1895]
Épouser une femme grande, c' est n'avoir plus besoin d' emprunter une échelle ; épouser une petite, c' est conserver la moitié d' un tambour ; épouser une méchante, c' est garder la foudre dans sa maison. [Veyrières 1913 #1205]

Proverb Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza. [Houlder 1895 #316]
Tafondro natifi-baratra, ka tafahoan-tsamy loza. [Rinara 1974 #3969]
Tafondro natifi-baratra : tafahaon-tsamy loza. [Veyrières 1913 #3517, Cousins 1871 #2954]
French translation Canon qu' on tire sur la foudre : deux choses terribles se rencontrent. [Veyrières 1913 #3517]
Un canon tirant contre la foudre, c' est la rencontre de deux calamités. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait de la rencontre ou de la lutte de deux hommes puissants. [Veyrières 1913 #3517]

Proverb Taona vao misasaka ka arahaba nieren' ny varatra! [Cousins 1871 #3038, Rinara 1974]

Proverb Valom-baratra. [Veyrières 1913 #6444]
French translation Repentir occasionné par le tonnerre. [Veyrières 1913 #6444]
French interpretation Repentir contraint, tout extérieur, et sans intention de se corriger. [Veyrières 1913 #6444]

Index