Index

Proverbs : diavina

Proverb Dovidovy endrika ka tian' ny olona haratsiana ary amboalambo tarehy ka tian' ny kabary hodiavina. [Rinara 1974]
Dovidovy endrika, ka tian' ny olona hoharatsina ; ary amboalambo tarehy, ka tian' ny kabary hodiavina. [Veyrières 1913 #4862, Cousins 1871 #863]
French translation Il a l' air chétif, aussi aime-t-on à se moquer de lui ; il a l' air d' un aventurier, aussi s' attire-t-il fréquemment des discussions. [Veyrières 1913 #4862]

Proverb Lalana afaka ando: diavin' ny osa. [Houlder 1895 #906]
Lalana afak' ando, diavin' ny osa. [Cousins 1871 #1300, Rinara 1974]
Lalan' afak' ando diavin' ny osa. [Veyrières 1913 #772]
French translation Sentier dont la rosée est tombée : les faibles peuvent y passer. [Veyrières 1913 #772]
Un chemin où il n' y a plus de rosée: il est suivi par les poltrons. [Houlder 1895]
French interpretation Les forts ouvrent le passage aux faibles. [Veyrières 1913 #772]
Quelqu' un y ayant déjà passé, ils n' ont plus peur. [Houlder 1895]

Proverb Mila mazava hodiavina. [Veyrières 1913 #5807]
French translation Chercher une voie claire pour passer. [Veyrières 1913 #5807]
French interpretation Chercher un moyen de se tirer d' affaire. [Veyrières 1913 #5807]

Proverb Ny nandoa aty amin' afero no tsy nanana anjara ho diavina. [Rinara 1974 #3168]

Proverb Ririnin-dasa tsy tsaroana, fahoriana nodiavina, sarotra hadinoina. [Rinara 1974 #3757]

Proverb Tsy mahita fetry ny lanitra, tsy manjehy ny masoandro, tsy mandrefy ny tany. [Veyrières 1913 #262]
Tsy nahita fetry ny lanitra, tsy nanjehy ny masoandro, tsy nandrefy ny tany. [Cousins 1871 #3557]
Tsy nahita ny fetry ny lanitra, tsy nahajehy ny masoandro, tsy naharefy ny tany, nefa hitan' ny maso sy nodiavin' ny tongotra isan' andro. [Rinara 1974 #4758]
French translation On ne voit pas les bornes du firmament, on ne mesure pas le soleil par empans, on ne mesure pas la terre à la brasse. [Veyrières 1913 #262]
French interpretation Se disait de la puissance et de la grandeur du souverain, afin d' inspirer au peuple crainte et confiance. [Veyrières 1913 #262]

Index