<-
->

Sal 62:1 Truly my soul waiteth upon God: from him cometh my salvation. Ho an' ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon' i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan' ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy. Ho an' ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon' i Davida. Du maître de chant... Yedutûn. Psaume. De David.
Sal 62:2 He only is my rock and my salvation; he is my defence; I shall not be greatly moved. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. Eny, Andriamanitra no iantombenan' ny fanahiko amim-piadanana, izy no ihavian' ny famonjena ahy. En Dieu seul le repos pour mon âme, de lui mon salut;
Sal 62:3 How long will ye imagine mischief against a man? ye shall be slain all of you: as a bowing wall shall ye be, and as a tottering fence. Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona; Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy, trano mimandako; ka tsy hangozohozo indrindra aho. lui seul mon rocher, mon salut, ma citadelle, je ne bronche pas.
Sal 62:4 They only consult to cast him down from his excellency: they delight in lies: they bless with their mouth, but they curse inwardly. Selah. Misaina hanongana azy hiala amin' ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin' ny vavany izy, fa manozona amin' ny fony. Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin' olona, mba hiarahanareo mandrodana azy, toy ny fandrodana tamboho mitongilana, tahaka ny manda efa mihotsaka? Jusques à quand vous ruer sur un homme et l' abattre, vous tous, comme une muraille qui penche, une clôture qui croule?
Sal 62:5 My soul, wait thou only upon God; for my expectation is from him. Miantombena amin' Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. Eny, mioko hanongana azy amin' ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin' ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà. Duperie seulement, leurs projets, leur plaisir est de séduire; le mensonge à la bouche, ils bénissent, au-dedans ils maudissent.
Sal 62:6 He only is my rock and my salvation: he is my defence; I shall not be moved. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin' Andriamanitra, fa avy aminy no ihavian' ny fanantenako. En Dieu seul repose-toi, mon âme, de lui vient mon espoir;
Sal 62:7 In God is my salvation and my glory: the rock of my strength, and my refuge, is in God. Andriamanitra no iankinan' ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin' Andriamanitra. Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy, trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho. lui seul mon rocher, mon salut, ma citadelle, je ne bronche pas;
Sal 62:8 Trust in him at all times; ye people, pour out your heart before him: God is a refuge for us. Selah. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. Andriamanitra no iankinan' ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin' Andriamanitra ny vatolampin' ny heriko, ny fialofako. en Dieu mon salut et ma gloire, le rocher de ma force. En Dieu mon abri,
Sal 62:9 Surely men of low degree are vanity, and men of high degree are a lie: to be laid in the balance, they are altogether lighter than vanity. Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin' ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy. Matokia azy mandrakizay, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà. fiez-vous à lui, peuple, en tout temps, devant lui épanchez votre coeur, Dieu nous est un abri!
Sal 62:10 Trust not in oppression, and become not vain in robbery: if riches increase, set not your heart upon them. Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin' ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak' olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon' aina. Un souffle seulement, les fils d' Adam, un mensonge, les fils d' homme; sur la balance s' ils montaient ensemble, ils seraient moins qu' un souffle.
Sal 62:11 God hath spoken once; twice have I heard this; that power belongeth unto God. Indray mandeha no nitenenan' Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an' Andriamanitra ny hery. Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin' izay fitohana. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin' izany hianareo. N' allez pas vous fier à la violence, vous essoufflant en rapines; aux richesses quand elles s' accroissent n' attachez pas votre coeur!
Sal 62:12 Also unto thee, O Lord, belongeth mercy: for thou renderest to every man according to his work. Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An' Andriamanitra ny fahefana. Une fois Dieu a parlé, deux fois, j' ai entendu. Ceci : que la force est à Dieu,
Sal 62:13 Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, hianao. à toi, Seigneur, l' amour; et cela : toi, tu paies l' homme selon ses oeuvres.

<-
->