<-
->

Sal 16:1 Preserve me, O God: for in thee do I put my trust. Miktama nataon' i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. Hiran' i Davida. Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho. A mi-voix. De David. Garde-moi, ô Dieu, mon refuge est en toi.
Sal 16:2 O my soul, thou hast said unto the Lord, Thou art my Lord: my goodness extendeth not to thee; Hoy izaho ny amin' i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; Hoy aho amin' ny Tompo: Tompoko hianao, hianao irery no fananako. J' ai dit à Yahvé : C' est toi mon Seigneur, mon bonheur n' est en aucun
Sal 16:3 But to the saints that are in the earth, and to the excellent, in whom is all my delight. Ary ny amin' ny olona masina ambonin' ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. Ny olo-masina izay ety amin' ny tany, ireo malaza, dia tiako amin' ny foko rehetra. de ces démons de la terre. Ceux-là en imposent à tous ceux qui les aiment,
Sal 16:4 Their sorrows shall be multiplied that hasten after another god: their drink offerings of blood will I not offer, nor take up their names into my lips. Ho be ny fahorian' izay manova an' Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin' ny molotro ny anarany. Ampitomboin' ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran' ireny eo amin' ny molotro akory. leurs idoles foisonnent, on court à leur suite. Verser leurs libations de sang? Jamais! Faire monter leurs noms sur mes lèvres? Jamais!
Sal 16:5 The Lord is the portion of mine inheritance and of my cup: thou maintainest my lot. Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; hianao no miantoka ny anjarako Yahvé, ma part d' héritage et ma coupe, c' est toi qui garantis mon lot;
Sal 16:6 The lines are fallen unto me in pleasant places; yea, I have a goodly heritage. Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin' ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. Norefesin' ny famolaina izay anjarako soa, eny lova soa indrindra no lasako ho ahy. le cordeau me marque un enclos de délices, et l' héritage est pour moi magnifique.
Sal 16:7 I will bless the Lord, who hath given me counsel: my reins also instruct me in the night seasons. Hisaotra an' i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin' ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. Isaorako Iaveh izay nanolo-tsaina ahy; na dia alina aza ny andro mbola anarin' ny foko ihany aho. Je bénis Yahvé qui s' est fait mon conseil, et même la nuit, mon coeur m' instruit.
Sal 16:8 I have set the Lord always before me: because he is at my right hand, I shall not be moved. Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh, fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho. J' ai mis Yahvé devant moi sans relâche; puisqu' il est à ma droite, je ne bronche pas.
Sal 16:9 Therefore my heart is glad, and my glory rejoiceth: my flesh also shall rest in hope. Izany no ifalian' ny foko sy iravoravoan' ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin' ahiahy mbamin' ny vatako aza. Aussi, mon coeur exulte, mes entrailles jubilent, et ma chair reposera en sûreté;
Sal 16:10 For thou wilt not leave my soul in hell; neither wilt thou suffer thine Holy One to see corruption. Fa tsy ho foinao ho any amin' ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin' ny lavaka Hianao. Fa tsy ho foinao ho any amin' ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao. car tu ne peux abandonner mon âme au shéol, tu ne peux laisser ton ami voir la fosse.
Sal 16:11 Thou wilt shew me the path of life: in thy presence is fulness of joy; at thy right hand there are pleasures for evermore. Hampahafantatra ahy ny lalan' aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay. Hampahafantarinao ahy ny làlan' ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan' ny tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana. Tu m' apprendras le chemin de vie, devant ta face, plénitude de joie, en ta droite, délices éternelles.

<-
->