<-
->

Sal 113:1 Praise ye the Lord. Praise, O ye servants of the Lord, praise the name of the Lord. Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon' i Jehovah, Miderà ny anaran' i Jehovah. Midera hianareo, ry mpanompon' ny Tompo, midera ny anaran' ny Tompo. Alleluia! Louez, serviteurs de Yahvé, louez le nom de Yahvé!
Sal 113:2 Blessed be the name of the Lord from this time forth and for evermore. Isaorana anie ny anaran' i Jehovah Hatramin' izao ka ho mandrakizay. Isaorana anie ny anaran' ny Tompo, dieny ankehitriny ka ho mandrakizay! Béni soit le nom de Yahvé, dès maintenant et à jamais!
Sal 113:3 From the rising of the sun unto the going down of the same the Lord' s name is to be praised. Hatramin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatramin' ny filentehany No hoderaina anie ny anaran' i Jehovah. Hoderaina anie ny anaran' ny Tompo, hatr' eo amin' ny fiposahan' ny masoandro ka hatr' eo amin' ny filentehany. Du lever du soleil à son coucher, loué soit le nom de Yahvé!
Sal 113:4 The Lord is high above all nations, and his glory above the heavens. Avo ambonin' ny jentilisa Jehovah; Ambonin' ny lanitra ny voninahiny. Tafasandratra ambonin' ny firenen-drehetra Iaveh, mihoatra ny lanitra ny voninahiny. Plus haut que tous les peuples, Yahvé! plus haut que tous les cieux, sa gloire!
Sal 113:5 Who is like unto the Lord our God, who dwelleth on high, Iza no tahaka an' i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin' ny avo, Iza no tahaka an' ny Tompo Andriamanitsika? izay mipetraka any amin' ny avo, Qui est comme Yahvé notre Dieu, lui qui s'élève pour siéger
Sal 113:6 Who humbleth himself to behold the things that are in heaven, and in the earth! Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etý an-tany? ary mitsinjo aty ambany, eny an-danitra sy ety an-tany. et s' abaisse pour voir cieux et terre?
Sal 113:7 He raiseth up the poor out of the dust, and lifteth the needy out of the dunghill; Manangana ny malahelo hiala amin' ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin' ny zezika, Manandratra ny ory hiala amin' ny vovoka izy, manesotra ny mahantra hiala amin' ny zezika izy; De la poussière il relève le faible, du fumier il retire le pauvre,
Sal 113:8 That he may set him with princes, even with the princes of his people. Mba hametraka azy ho naman' ny mpanapaka ny olony. mba hampipetraka azy miaraka amin' ny andriandahy, dia miaraka amin' ny andriandahin' ny vahoakany. pour l' asseoir au rang des princes, au rang des princes de son peuple.
Sal 113:9 He maketh the barren woman to keep house, and to be a joyful mother of children. Praise ye the Lord. Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia. Manome fonenana ny momba ao an-trano izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan' ny zanany. Aleloia! Il assied la stérile en sa maison, mère en ses fils heureuse.

<-
->