Index

Proverbs : ondrindrano

Proverb 1Manalasala toa vavan' ondrindrano : mitsotra toa lanton-tsandriny, mikainkona toa molo-bavany. [2.558]
Misalasala, toa vavan' ondrindrano : mitsotra, toa lanton-tsandriny; mikainkona, toa molo-bavany. [2.415 #5814, 2.653 #1826]
French translationNi l' un ni l' autre, comme les mandibules de la nymphe de libellule : quand elles sont étendues, on dirait des avant-bras ; quand elles sont contractées, on dirait le rebord des lèvres. [2.415 #5814]

Proverb 2Ny ondrindrano herintaona mihodidina, ka famaky kely iray ihany no azony. [2.653]
Ny ondrindrano : herintaona mihodidina ka famaky kely izay ihany no azo. [2.558 #3199]

Proverb 3Toy ny ondrindrano, lefona dimy, fampohaza iray, famaky iray, ireo no nentina, nefa nosorohin' Itsaramanampy, ka tonga any an-karona fihazana. [2.558 #4341]
Tsy misy manao ho vazaha noho ny ondrindrano: lefona dimy no nentiny, fampohazarana no nentiny, ary famaky iray no nentiny; kandrefa raha nankao atsimon-drano, nosorohin' Itsaramanampy ka tonga any an-karona fihazana. [2.165 #2309]

Proverb 4Tsy misy be fiarovana tahaka ny ondrindrano : tsirika telo, antsibe iray, nefa raha azon’ ny tandroho mitogaga. [2.653 #3512]
Tsy misy be fiarovana toy ny ondrindrano, fa tsirika telo, antsibe iray nefa mitolagaga raha voafaokan' ny tandroho. [2.558 #4706]

Index