Index

Proverbs : Ikaky

Proverb Ataony ho aretin’ inona, ka hoe : "Hohaniko ny sisan’ Ikaky". [Veyrières 1913 #1491, Cousins 1871 #302]
French translation Il ne sait de quelle maladie souffre son père et il dit : je mangerai les restes des bonnes choses qu' on a données à mon père. [Veyrières 1913 #1491]
French interpretation Se disait de l' égoïsme et de la gourmandise des enfants, qui sans songer aux souffrances de leurs parents, se réjouissaient de manger leurs restes. [Veyrières 1913 #1491]

Proverb Aza manao hoe : Itompokolahy Ikaky, fa Rabevoina rain' ialahy. [Rinara 1974 #506]
Raha fatin-drain' olona ataony hoe : Rabevoina rain' ialahy, fa raha fatin--drainy kosa dia lazainy hoe Ratompokolahy Ikaky. [Rinara 1974 #3564]
Raha fatin-drain’ olona ataony hoe: "Rabevoiny rain’ ialahy!" ary raha fatin-drainy kosa ataony hoe: "Ratompokolahy Ikaky!". [Cousins 1871 #2647]
Raha ny ahy, ataonao hoe, rabevoiny rain' ialahy; ary raha ny anao, dia ataonao hoe ratompokolahy ikaky. [Abinal 1888]
Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao. [Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza fiangarana amin' ny fitenenana ka raha an' ny tena soasoavina, fa raha an' ny hafa bantibantina. [Rajemisa 1985]
French translation Quand il s'agit de mon père mort, vous dites: le malheureux ton père; tandis que pour le vôtre, vous dites: monsieur ou feu mon père. [Abinal 1888]
French interpretation On se flatte soi-même et on méprise les autres. [Abinal 1888]

Proverb Mahita loza aho, ry ikaky sy ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no nanarian' ny olona ahy. [Veyrières 1913 #1571, Cousins 1871]
Mahita loza, ry ikaky sy ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no anarian' ny olona ahy! [Houlder 1895 #2203]
Mahita loza ry Ikaky sy Ineny, hoy ny akofa, fa ny hiako ihany no nanarian' ny olona ahy. [Rinara 1974 #1886]
French translation Je suis dans la détresse, ô mon père et ma mère, dit la balle (du grain), car ce n' est qu' à cause de ma maigreur qu' on me rejette (au lieu d' avoir pitié de moi)! [Houlder 1895]
Le malheur m' accable, ô mon père et ma mère, dit le grain de riz coulé, car si les hommes m' ont rejeté, c' est à cause de ma maigreur. [Veyrières 1913 #1571]
French interpretation Plaintes de jeune personne qui ne trouve pas à se marier. [Veyrières 1913 #1571]

Proverb Mamy ny tany ipetrahan' ikaky sy ineny. [Veyrières 1913 #1521]
French translation Douce est la terre où demeurent papa et maman. [Veyrières 1913 #1521]
French interpretation Paroles par lesquelles l' enfant exprime son amour filial et son attachement à la terre qui l'a vu naître. [Veyrières 1913 #1521]

Proverb Tiana ny terak' ombin' Ikaky, fa raha mandaka kapohina. [Rinara 1974 #267, Cousins 1871 #3094, Veyrières 1913]
French translation J' aime les veaux de mon père ; mais s' ils donnent des ruades, je les frappe. [Veyrières 1913 #6489]
French interpretation On a beau aimer quelqu'un, on ne peut pas tout lui passer. [Veyrières 1913 #6489]

Proverb Veloma ry Ikaky sy Ineny, fa sinibe manga roa hianareo, ka tsy misy tombo sy hala. [Rinara 1974 #4921, Cousins 1871 #3658]

Index