<-
->

Si 9:1 Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao; ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anao ao am-pony. Ne sois pas jaloux de ton épouse bien-aimée et ne lui donne pas l' idée de te faire du mal.
Si 9:2 Aza dia mandolotra ny fanahinao amin' ny vadinao, fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany. Ne te livre pas entre les mains d' une femme, de peur qu' elle ne prenne de l' ascendant sur toi.
Si 9:3 Aza mandeha hifanena amin' ny vehivavy janga, fandrao tafalatsaka amin' ny famandrihany hianao. Ne va pas au-devant d' une prostituée tu pourrais tomber dans ses pièges.
Si 9:4 Aza mijanona ela miaraka amin' ny mpirahavavy; fandrao dia voafandriny amin' ny fahaizany hianao. Ne fréquente pas une chanteuse tu te ferais prendre à ses artifices.
Si 9:5 Aza mahari-pijery zazavavy, fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy hianao. N' arrête pas ton regard sur une jeune fille, de crainte d'être puni avec elle.
Si 9:6 Aza manolo-tena amin' ny vehivavy janga, fandrao dia very lova hianao. Ne te livre pas aux mains des prostituées tu y perdrais ton patrimoine.
Si 9:7 Aza mijerijery atsy amin' ary eny an-dalamben' ny tanana, ary aza misodisody eny amin' ny fitoerany mangingina. Ne promène pas ton regard dans les rues de la ville et ne rôde pas dans les coins déserts.
Si 9:8 Avilio ny masonao tsy ho amin' ny vehivavy bikana, ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa; fa maro no efa sodokan' ny hatsaran-tarehin' ny vehivavy, ka mirehitra ohatra ny afo ny fanirian-dratsiny. Détourne ton regard d' une jolie femme et ne l' arrête pas sur une beauté étrangère. Beaucoup ont été égarés par la beauté d' une femme et l' amour s' y enflamme comme un feu.
Si 9:9 Aza miara-mipetraka amim-behivavy manambady, na oviana na oviana; aza mandry ilika hiara-mihinana aminy; aza miara-misotro divay aminy, eo amin' ny fihinanam-be fandrao tafahodina mankaminy ny fonao, ka voatariky ny filan-dratsinao ho amin' ny fahaverezana hianao. Près d' une femme mariée garde-toi bien de t' asseoir et de t' attabler pour des beuveries, de crainte que ton coeur ne succombe à ses charmes et que dans ta passion tu ne glisses à ta perte.
Si 9:10 Aza mahafoy ny sakaizanao ela, fa tsy mahaleo azy ny vaovao. Na divay vaovao, na sakaiza vaovao, aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana. N' abandonne pas un vieil ami, le nouveau venu ne le vaudra pas. Vin nouveau, ami nouveau, laisse-le vieillir, tu le boiras avec délices.
Si 9:11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota, fa tsy fantatrao izay ho faharavany. N' envie pas le succès du pécheur, tu ne sais comment cela finira.
Si 9:12 Aza mankasitraka ny fahafinaretan' ny mpankahala fivavahana, tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin' ny seoly. Ne te félicite pas de la réussite des impies, souviens-toi qu' ici-bas ils ne resteront pas impunis.
Si 9:13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono, dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana hianao. Ary raha manatona azy hianao, mitandrema tena amin' ny heloka rehetra, fandrao dia alany ny ainao. Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika hianao, ary mitety eny ambonin' ny nongonongon' ny mandan' ny tanana. Tiens-toi éloigné de l' homme qui est capable de tuer et tu n' auras aucune crainte de la mort. Si tu l' approches surveille-le bien, il pourrait t'ôter la vie. Sache bien que tu es entouré de pièges et que tu marches sur les remparts.
Si 9:14 Tandremo araka izay azo atao ny namanao, ka maka saina amin' izay hendry. Autant que tu le peux fréquente ton prochain et prends conseil des sages.
Si 9:15 Miresaha amin' ny olona manan-tsaina, ary ny amin' ny lalan' ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra. Pour ta conversation recherche les hommes intelligents et que tous tes entretiens portent sur la loi du Très-Haut.
Si 9:16 Aoka ny olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao; ary ny fahatahorana an' Andriamanitra no ataovy voninahitrao. Que les justes soient tes commensaux et que ta fierté soit dans la crainte du Seigneur.
Si 9:17 Ny tanan' ny olona kinga no hiderana ny asany, ary ny tenin' ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry. Un ouvrage fait de main d' ouvrier mérite louange, mais le chef du peuple, lui, doit être habile dans le discours.
Si 9:18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tananany, ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin' ny resany. Le beau parleur est redouté dans la ville et le bavard est détesté.

<-
->