<-
->

Si 23:1 Tompo o, ry Ray sy Tompo tokan' ny aiko, aza afoinao ho amin' ny hevitry ny molotro aho, ary aza avelanao aho hahita izay hahalavo ahy eo! Seigneur, père et maître de ma vie, ne m' abandonne pas à leur caprice, ne me laisse pas trébucher par leur fait.
Si 23:2 Iza no hampahatsiaro kotopia ny hevitro, fifehezan' ny fahendrena ny foko, ka tsy hitsimbina ahy amin' ny hadalako, sy tsy hamela ahy hiarana amin' ny fahotana; Qui appliquera le fouet à mes pensées et à mon coeur la discipline de la sagesse, afin qu' on n'épargne pas mes erreurs et que mes péchés n'échappent pas?
Si 23:3 fandrao dia mitombo ny hadalako, sy mihamaro ny fahotako, ka lavo eo anoloan' ny rafilahiko aho, ary ho faly ny fahavaloko amin' ny momba ahy. De peur que mes erreurs ne se multiplient et que mes péchés ne surabondent, que je ne tombe aux mains de mes adversaires et que mon ennemi ne se moque de moi.
Si 23:4 Ry Tompo, Ray sy Andriamanitry ny aiko, aza omena fanarana-maso aho, Seigneur, père et Dieu de ma vie, fais que mes regards ne soient pas altiers,
Si 23:5 ary avilio hiala amiko ny fanirian-dratsy. détourne de moi l' envie,
Si 23:6 Aoka tsy hahazo ahy, ny filan' ny nofo amam-panaranam-batana, ary aza atolotra amin' ny fanahy tsy maotina aho. que la sensualité et la luxure ne s' emparent pas de moi, ne me livre pas au désir impudent.
Si 23:7 Anaka, henoy ny fifehezan' ny vava, fa izay hitandrina izany, tsy ho voafandrika. Enfants, écoutez mon enseignement, celui qui le garde ne sera pas confondu.
Si 23:8 Ho voafindriky ny molony ny mpanota, hahita izay hahalavo azy eo, ny mpifosa sy ny mpaniratsira. Le pécheur est pris par ses propres lèvres, elles font choir le médisant et l' orgueilleux.
Si 23:9 Aza manazatra ny vavanao hanao fianianana: ary aza mihazatra hanonona ny anaran' Ilay Masina. N' accoutume pas ta bouche à faire des serments, ne prends pas l' habitude de prononcer le nom du Saint.
Si 23:10 Fa toy ny mpanompo asiana fampijaliana matetika tsy mety ho afa-dratra; toy izany izay mianiana sy manonona tsy an-kijanona ny anaran' ny Masina, tsy mety ho afaka amin' ny fahotana. Car de même qu' un domestique toujours surveillé n'échappera pas aux coups, ainsi celui qui jure et invoque le Nom à tort et à travers ne sera pas exempt de faute.
Si 23:11 Mampitombo ny tsy fahamarinana ny olona mahery mianiana, ka tsy hialan-kotopia ny tranony, raha nanao izay mahameloka azy izy dia ao aminy ny fahotany; raha tsy ahoany izany dia avo sasaka ny fahotany. Raha manao fianianana tsy marina izy tsy havela heloka, fa ho tototra famaizana ny tranony. Un homme prodigue de serments est rempli d' impiété et le fléau ne s'éloignera pas de sa maison. S' il pèche, sa faute sera sur lui; s' il a agi à la légère, il a péché doublement; s' il a fait un faux serment, il ne sera pas justifié, car sa maison sera pleine de calamités.
Si 23:12 Misy teny miantso ny fahafatesana; tsy hisy izany anie, eo amin' ny lovan' i Jakoba! Lavitra ny olona tia vavaka izany rehetra izany; tsy mba miditra amin' izany fahotana izany izy. Il y a une manière de parler qui ressemble à la mort, qu' elle ne soit pas en usage dans l' héritage de Jacob, car les hommes pieux repoussent tout cela, ils ne se vautrent pas dans le péché.
Si 23:13 Aza manazatra ny vavanao amin' ny fomba fiteny ambany ratsy, fa mitarika amin' ny fiteny mahameloka izany. N' habitue pas ta bouche à l' impureté grossière où se trouve la parole du péché.
Si 23:14 Tsarovy ny rainao sy ny reninao, raha mitoetra eo amin' ny lehibe hianao, fandrao raha manadino azy eo anatrehan' ireo hianao, tonga manao hadalana, noho ny fahazarana, ka hanjary maniry ny tsy ho nateraka akory, sy manozona ny andro nahaterahanao. Souviens-toi de ton père et de ta mère quand tu sièges au milieu des grands, de crainte que tu ne t' oublies en leur présence, que tu ne te conduises comme un sot, et que tu n' en arrives à souhaiter de n'être pas né et à maudire le jour de ta naissance.
Si 23:15 Ny olona zatra amin' ny fiteny ambany ratsy foana, tsy mba hahatratra ny fahendrena, na oviana na oviana. Un homme accoutumé aux paroles répréhensibles ne se corrigera de sa vie.
Si 23:16 Roa karazana ny olona mitombo fahotana; ary ny fahatelo miantso ny fahatezerana. Ny olona mirehitra ny fanirian-dratsy, hoatra ny afo midedadeda, tsy maty mandra-pahalevony. Izay tsy madio amin' ny nofon' ny tenany, tsy hijanona mandra-pirehitry ny afo: Deux sortes d'êtres multiplient les péchés et la troisième attire la colère
Si 23:17 Mamy avokoa ny hanina, amin' ny mpanaram-batana, ka tsy hijanona izy mandra-pahafatiny. la passion brûlante comme un brasier elle ne s'éteindra pas qu' elle ne soit assouvie; l' homme qui convoite sa propre chair il n' aura de cesse que le feu ne le consume; à l' homme impudique toute nourriture est douce, il ne se calmera qu'à sa mort.
Si 23:18 Ny olona mandao ny fandrian' izy mivady, dia manao anakampo hoe: Iza no hahita ahy? Ny aizina manarona, ny rindrina manakona ahy; ary tsy misy olona mitazana ahy; ka inona no hatahorako? Ny Avo Indrindra, tsy hahatsiaro izay fahotako akory. L' homme qui pèche sur sa propre couche et dit en son coeur : "Qui me voit? L' ombre m' environne, les murs me protègent, personne ne me voit, que craindrais-je? Le Très-Haut ne se souviendra pas de mes fautes."
Si 23:19 Tsy manan-tahotra ny mason' ny olombelona, tsy fantany fa ny mason' ny Tompo mamirapiratra inarivo hoatry ny masoandro, ka voajeriny avokoa ny lalan' ny olombelona, ary takany hatrany amin' ny fitoerana maizina. Ce qu' il craint ce sont les yeux des hommes, il ne sait pas que les yeux du Seigneur sont 10.000 fois plus lumineux que le soleil, qu' ils observent toutes les actions des hommes et pénètrent dans les recoins les plus secrets.
Si 23:20 Fantatry ny Tompo, talohan' ny nahariana azy, izao tontolo izao; ary mbola fantany koa rahefa tanteraka ireny. Avant qu' il créât, toutes choses lui étaient connues, elles le sont encore après leur achèvement.
Si 23:21 Hofaizina eny an-dalamben' ny tanana ny mpaka vadin' olona; ary amin' ny fotoana tsy nampoiziny akory, no hahavoazany. En pleine ville cet homme sera puni, quand il s' y attend le moins il sera pris.
Si 23:22 Torak' izany koa ny vehivavy nandao ny vadiny, sy niteraka mpandova amin' ny firaisana amin' olon-kafa. Il en est de même de la femme infidèle à son mari qui lui apporte un héritier conçu d' un étranger.
Si 23:23 Satria voalohany, nandika ny lalan' ny Avo Indrindra izy; manaraka izany meloka tamin' ny vadiny izy; farany nanao fijanganjangana izy, sy niteraka zaza, avy amin' ny ran' olon-kafa. Tout d' abord elle a désobéi à la loi du Très-Haut, ensuite elle est coupable envers son mari; en troisième lieu elle s' est souillée par l' adultère et a conçu des enfants d' un étranger.
Si 23:24 Hoentina eo anatrehan' ny fiangonana izy; ary ny famaizana hitsidika ny zanany. Elle sera traduite devant l' assemblée et on examinera ses enfants.
Si 23:25 Ny zanany tsy handatsa-paka, ary ny sampany tsy hitondra voa. Ses enfants n' auront pas de racines, ses branches ne porteront pas de fruit.
Si 23:26 Hamela fahatsiarovana voan' ny fanozonana izy; ary ny fanalam-baraka azy, tsy ho faty na oviana na oviana. Elle laissera un souvenir de malédiction et sa honte ne sera jamais effacée.
Si 23:27 Dia ho fantatr' izay ho avy any aoriana fa tsy misy tsara noho ny fahatahorana ny Tompo; tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny. Voninahitra lehibe ny manaraka ny Tompo; manalava andro iainana, ny miraikitra aminy. Et ceux qui viennent après elle sauront que rien ne vaut la crainte du Seigneur et que rien n' est plus doux que de s' attacher aux commandements du Seigneur.

<-
->