<-
->

Si 27:1 Maro ny manota hahazoam-bola; ary izay maniry hanan-karena dia mamily ny masony. Beaucoup ont péché par amour du gain, celui qui veut s' enrichir se montre impitoyable.
Si 27:2 Mitsofoka anelanelan' ny vato roa ny tsimatra; miditra anatin' ny fivarotana sy fividianana toy izany koa ny ota. Un piquet s' enfonce entre deux pierres jointes, entre vente et achat une faute s' introduit.
Si 27:3 Raha tsy miraikitra mafy amin' ny fahatahorana an' Andriamanitra hianao, dia ho rava faingana ny tranonao. Qui ne s' attache pas fermement à la crainte du Seigneur, sa maison sera bientôt détruite.
Si 27:4 Amin' ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan' ny faikany betsaka; amin' ny tenin' ny olona koa, no isehoan' ny kilemany. Dans le crible qu' on secoue il reste des saletés, de même les défauts de l' homme dans ses discours.
Si 27:5 Ny memy no fizahan-toetra ny sinin' ny mpanao tanimanga; ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona. Le four éprouve les vases du potier, l'épreuve de l' homme est dans sa conversation.
Si 27:6 Ny voan' ny hazo no ahafantarana ny tany aniriny; toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon' ny olombelona. Le verger où croît l' arbre est jugé à ses fruits, ainsi la parole d' un homme fait connaître ses sentiments.
Si 27:7 Aza midera olona alohan' ny nitenenany, fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona. Ne loue personne avant qu' il n' ait parlé, car c' est là qu' est la pierre de touche.
Si 27:8 Raha mikatsaka ny fahamarinana hianao, dia hahatratra azy, ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra. Si tu poursuis la justice, tu l' atteindras, tu t' en revêtiras comme d' une robe d' apparat.
Si 27:9 Mivory eo amin' izay namany ny vorona; miverina amin' izay manaraka azy, toy izany koa, ny fahamarinana. Les oiseaux cherchent la compagnie de leurs semblables, la vérité revient à ceux qui la pratiquent.
Si 27:10 Ny liona mikendry ny rembiny; toy izany koa ny fahotana mikendry izay manao ny tsy rariny. Le lion guette sa proie, ainsi le péché guette ceux qui commettent l' injustice.
Si 27:11 Fahendrena mandrakariva ny tenin' ny olona tia vavaka; fa miovaova hoatra ny volana kosa, ny adala. Le discours de l' homme pieux est toujours sagesse, mais l' insensé est changeant comme la lune.
Si 27:12 Tandremo ny fotoana raha ho any amin' ny adala hianao, fa ny olona mieritreritra kosa dia aoka ho eo afovoany mandrakariva hianao. Pour aller chez les insensés, attends l' occasion, avec les gens réfléchis attarde-toi sans crainte.
Si 27:13 Maharikoriko ny resaky ny adala: mikakakaka eo amin' ny hafaliana noho ny fahotana ny hehiny. Le discours des sots est une horreur, leur rire éclate dans les délices du péché.
Si 27:14 Mampitsangana ny volon-doha ny fitenin' izay fatra-pianiana, rahefa izy no mifanditra, mitampim-tsofina ny olona. Le langage de l' homme prodigue de serments fait dresser les cheveux, quand il se querelle on se bouche les oreilles.
Si 27:15 Mahalatsa-dra ny fifandiran' ny mpiavonavona; ary mampalahelo ny mihaino ny famoapoahany. La querelle des orgueilleux fait couler le sang et leurs injures sont pénibles à entendre.
Si 27:16 Very ny fitokiana an' izay manambara ny tsiambaratelo ary tsy hahita sakaiza araka ny sitrany intsony izy. Qui révèle les secrets perd son crédit et ne trouve plus d' ami selon son coeur.
Si 27:17 Tiavo ny sakaizanao, ary aza mivadika aminy; fa aza midodododo any aminy intsony, raha manambara ny tsiambaratelo avy aminy hianao. Envers ton ami sois affectueux et confiant, mais si tu as révélé ses secrets ne cours plus après lui;
Si 27:18 Satria toy ny olona namono nahafaty ny fahavalony no namonoanao ny fitiavan' ny namanao. car, comme on supprime un homme en le tuant, tu as tué l' amitié de ton prochain.
Si 27:19 Ary toy ny raha navelanao handositra ny vorona teo an-tananao no nampandosiranao ny sakaizanao, tsy hahatratra azy intsony hianao. Comme on ouvre la main et l' oiseau s' envole, tu as perdu ton ami, tu ne le rattraperas pas.
Si 27:20 Aza manenjika azy, fa efa lasa lavitra izy, nandositra toy ny gazela tafatsoaka tamin' ny fandrika izy. Ne le poursuis pas : il est loin, il s' est enfui comme la gazelle échappée au filet.
Si 27:21 Bandina ny ratra, ary toy izany koa no hihavanana indray, rahefa nifanala baraka; fa raha izay nanambara ny tsiambaratelo kosa, dia tsy manam-panantenana intsony. Car on panse une blessure, on pardonne une injure, mais pour qui a révélé un secret, plus d' espoir.
Si 27:22 Mamoron-tsy fahamarinana izay maniringiri-maso, ary tsy misy olona afa-miala amin' izany. Qui cligne de l' oeil machine le mal, nul ne peut l' en détourner.
Si 27:23 Eo imasonao izy malefaka am-bava ery, migaga ny teninao; nony avy eo anefa izy mivadika ny fiteniny, ary ahodiny any amin' ny hevitra mamohehatra ny teninao. En ta présence il est tout miel, il s' extasie devant tes propos; mais par derrière il change de langage et de tes paroles fait une pierre d' achoppement.
Si 27:24 Maro ny zavatra tsy tiako mainty, fa tsy misy tahaka io; ary ny Tompo koa mankahala azy. Je hais bien des choses, mais rien tant que cet homme, et le Seigneur le hait aussi.
Si 27:25 Izay manipy vato savoan-danitra manipy azy amin' ny lohany; toy izany ny famelezana am-pitaka, mandratra ny mpamitaka. Qui jette une pierre en l' air se la jette sur la tête, qui frappe en traître en subit le contrecoup.
Si 27:26 Izay mihady lavaka no hianjera ao; ary izay mamela-pandrika no ho voan' izany. Qui creuse une fosse y tombera, qui tend un piège s' y fera prendre.
Si 27:27 Izay manao ratsy, hahita izany ratsy izany hanakodia ny tenany, ary tsy ho fantany akory, izay ihavian' izany aminy. Qui fait le mal, le mal retombera sur lui, sans même qu' il sache d' où il lui vient.
Si 27:28 Ao am-bavan' ny mpiavona ny fananihaniana amam-panalam-baraka, fa mihendry azy toy ny liona kosa ny famalian-dratsy. Sarcasme et injure sont le fait de l' orgueilleux, mais la vengeance le guette comme un lion.
Si 27:29 Ho voan' ny fandrika izay mifaly amin' ny manjo ny tia vavaka, ary ho levon' ny fijaliana alohan' ny hahafatesany izy. Ils seront pris au piège ceux que réjouit la chute des hommes pieux, la douleur les consumera avant leur mort.
Si 27:30 Mendrika hankahalaina koa ny lolom-po amam-pahatezerana, ary manana izany ny mpanota. Rancune et colère, voilà encore des choses abominables qui sont le fait du pécheur.

<-
->