<-
->

Si 21:1 Anaka, nanota va hianao? aza manao izany intsony, fa raha manatona azy hianao, hokekeriny. Mon fils! tu as péché? Ne recommence plus et implore le pardon de tes fautes passées.
Si 21:2 Mandosira toy ny eo anatrehan' ny bibilava, eo anatrehan' ny fahotana; fa raha manatona azy hianao, hokekeriny. Nifin-diona ny nifiny, ka mahafaty ny olombelona. Comme tu fuirais le serpent, fuis la faute si tu l' approches elle te mordra; ses dents sont des dents de lion qui ôtent la vie aux hommes.
Si 21:3 Tahaka ny sabatra roa lela, ny fandian-didy rehetra, tsy azo sitranina ny ratra afitsony. Toute transgression est une épée à deux tranchants dont la blessure est incurable.
Si 21:4 Mandrava harena ny fandrahonana amam-panevatevana, izany no naharava ny tranon' ny mpiavonavona. La terreur et la violence dévastent la richesse, ainsi la maison de l' orgueilleux sera détruite.
Si 21:5 Ny fangatahan' ny mahantra, miakatra avy amin' ny molony ho amin' ny sofin' ny mpanana; fa ho tonga faingana amin' ny mpiavonavona, ny fitsarana azy. La prière du pauvre frappe les oreilles de Dieu, dont le jugement ne saurait tarder.
Si 21:6 Izay mankahala anatra, manara-dia ny mpanota, fa izay matahotra an' Andriamanitra mitodika azy amin' ny fo tsotra. Qui hait la réprimande emprunte le sentier du pécheur, celui qui craint le Seigneur se convertit en son coeur.
Si 21:7 Ny olona mahery am-bavany dia efa manambara tena mbola lavitra any; fa ny olona manan-tsaina, mahalala raha diso izy. Le beau parleur est connu partout mais l' homme réfléchi en connaît les faiblesses.
Si 21:8 Ny olona manao trano amin' ny vola tsy azy, dia tahaka izay manangom-bato ho amin' ny ririnina. Bâtir sa maison avec l' argent d' autrui, c' est amasser des pierres pour sa tombe.
Si 21:9 Ny andiam-pahavalo, dia tahaka ny antontan-drongony, ka ho rembin' ny afo no hiafarany. L' assemblée des pécheurs est un tas d'étoupe qui finira dans la flamme et le feu.
Si 21:10 Vita ngorodom-bato ny lalan' ny mpanota, fa ny hantsan' ny seoly no any am-parany. Le chemin des pécheurs est bien pavé, mais il aboutit au gouffre du shéol.
Si 21:11 Izay mitandrina ny lalana, mamolaka ny heviny; ary ny vokatra faran' ny fahatahorana ny Tompo, dia ny fahendrena. Celui qui garde la loi contrôle ses instincts, la perfection de la crainte du Seigneur c' est la sagesse.
Si 21:12 Izay tsy ampy fahakingana tsy ho vita fianarana; nefa misy fahakingana miteraka fahoriana be mangidy. Tel ne peut rien apprendre faute de dons naturels, mais il est des dons qui engendrent l' amertume.
Si 21:13 Be hoatra ny rano tondraka, ny fahaizan' ny hendry, ary loharanon' aina ny toroheviny. La science du sage est riche comme l' abîme et son conseil est comme une source vive.
Si 21:14 Toy ny vilany vaky ny fon' ny adala, ka tsy mahatam-pahalalana, na dia iray aza. Le coeur du sot est comme un vase brisé qui ne retient aucune connaissance.
Si 21:15 Raha ny manan-tsaina no mandre teny maneho fahendrena, dia mankalaza izany izy, ary mampitombo azy koa aza. Fa raha mpanaram-batana kosa no mandre izany, halany izany, ary ariany any ivohony. Si un homme instruit entend une parole sage, il l' apprécie et y ajoute du sien; qu' un débauché l' entende, elle lui déplaît, il la rejette derrière lui.
Si 21:16 Ny lahatenin' ny adala, toy ny entana fitondra mivahiny; fa amin' ny molotry ny manan-tsaina no misy ny mahafinaritra. Le discours du sot pèse comme un fardeau en voyage, mais sur les lèvres du sage on trouve la grâce.
Si 21:17 Ilaina eo am-piangonana, ny vavan' ny olon-kendry, ary saintsainina ao am-po ny teniny. La parole de l' homme sensé est recherchée dans l' assemblée, ce qu' il dit, chacun le médite dans son coeur.
Si 21:18 Ny fahendrena dia trano rava ho an' ny adala, ary ny fahaizan' ny adala, dia teny tsy mifandray akory. Une maison en ruines, telle est la sagesse du sot, et la science de l' insensé, ce sont des discours incohérents.
Si 21:19 Amin' ny adala ny fampianarana, toy ny gadra amin' ny tongotra, sy famatorana amin' ny tanana ankavanana. La discipline pour l' insensé, ce sont des entraves à ses pieds et des menottes à sa main droite.
Si 21:20 Ny adala mitokalakalaka ery, raha mihomehy, fa ny olon-kinga kosa mitsiky kely foana tsy re. Le sot éclate de rire bruyamment, le rire de l' homme de sens est rare et discret.
Si 21:21 Amin' ny olona manan-tsaina ny fampianarana sahala amin' ny firavaka volamena sy fehin-tanana amin' ny tanana ankavanana. Pour l' homme sensé la discipline est un bijou d' or, un bracelet à son bras droit.
Si 21:22 Raha miditra an-trano, ny adala manao dia faingana, fa ny olon-kendry kosa miahotra toa tsy sahy eo am-pidirana. Le sot se hâte de faire son entrée, l' homme expérimenté prend une attitude modeste;
Si 21:23 Ny adala miondrika hanarangarana ny ao an-trano, eo am-baravarana, fa ny olona tsara taiza kosa, mijanona any ivelany. de la porte l' insensé regarde à l' intérieur, l' homme bien élevé reste dehors.
Si 21:24 Tsy fahaiza-miaina ho an' ny olona, ny mihaino eo am-baravarana; ka mahatezitra ny manan-tsaina, ny asa mahamenatra toy izany. C' est le fait d' un mal élevé que d'écouter aux portes, un homme sensé en sent le déshonneur.
Si 21:25 Ny molotry ny adala, tsy manonona afa-tsy hadalana; fa ny tenin' ny olon-kendry kosa, voalanja amin' ny mizana. Les lèvres des bavards répètent les paroles d' autrui, les paroles des sages sont soigneusement pesées.
Si 21:26 Ny fon' ny adala dia eo am-bavany, fa ny fon' ny hendry kosa, dia ny vavany. Le coeur des sots est dans leur bouche, mais la bouche des sages c' est leur coeur.
Si 21:27 Raha manozona ny fahavalony ny ratsy fanahy, dia manozona ny tenany ihany. Quand l' impie maudit le Satan, il se maudit soi-même.
Si 21:28 Mandoto tena ny mpitati-bolana, ka ankahalain' ny olona rehetra manatona azy. Le médisant se fait tort à soi-même et se fait détester de son entourage.

<-
->