<-
->

Si 14:1 Sambatra ny olona tsy nanota tamin' ny vavany, izay tsy mangan' ny nenina noho ny fahotana! Heureux l' homme qui n' a pas péché en paroles et qui n' est pas tourmenté par le regret de ses fautes.
Si 14:2 Sambatra izay tsy helohin' ny fanahiny, ka tsy mba very fanantenana ny Tompo! Heureux l' homme qui ne se fait pas à lui-même de reproches et qui ne sombre pas dans le désespoir.
Si 14:3 Tsy mahasoa ny harena, amin' ny olona kafiry velona; ary inona no asan' ny harena amin' ny olona be fialonana? A l' homme mesquin ne sied pas la richesse, et pour l' homme cupide à quoi bon de grands biens?
Si 14:4 Manangona ho an' ny hafa, izay manangona mahihitra ho an' ny tenany, ka ny hafa no mivelona amim-piadanana, amin' ny hareny. Qui amasse en se privant amasse pour autrui, de ses biens d' autres se repaîtront.
Si 14:5 Amin' iza no halemy fanahy izay loza be amin' ny tenany? Tsy mba hiadana amin' ny rakitry ny tenany izy. Celui qui est dur pour soi-même, pour qui serait-il bon? Il ne jouit même pas de ses propres biens.
Si 14:6 Tsy misy ratsy mihoatra noho izay mifady ny zavatra rehetra, ary izany no tamby tandrifin' ny haratsiany. Il n' y a pas homme plus cruel que celui qui se torture soi-même, c' est là le salaire de sa méchanceté.
Si 14:7 Raha misy soa mba ataony, dia tsy fanahy iniana, ary hihariharian' ny haratsiany no iafarany. S' il fait du bien, c' est par mégarde, finalement il laisse voir sa méchanceté.
Si 14:8 Olon-dratsy izay mijery amin' ny maso misy fialonana, ka mihodivitra sy maneso ny fanahin' olona. C' est un méchant, l' homme aux regards cupides, qui détourne les yeux et méprise la vie d' autrui.
Si 14:9 Tsy afa-pon' izay anjara tokana ny mason' ny kahihitra, ary mainan' ny fitsiriritana mandoza ny fanahy. L' homme jaloux n' est pas content de ce qu' il a, la cupidité dessèche l'âme.
Si 14:10 Minia tsy homan-kanina ny maso ratsy; ary noana eo anoloan' ny fihinany izy. L' avare est chiche de pain et la disette est sur sa table.
Si 14:11 Anaka, manaova soa ny tenanao, araka izay anananao, ary manolora fanatitra mendrika, amin' ny Tompo. Mon fils, si tu as de quoi, traite-toi bien, et présente au Seigneur les offrandes qu' il demande.
Si 14:12 Tsarovy fa tsy ho ela ny fahafatesana, ary tsy nambara taminao ny didim-paneken' ny seoly. N' oublie pas que la mort ne tardera pas et que le pacte du shéol ne t' a pas été révélé.
Si 14:13 Manaova soa amin' ny sakaizanao, alohan' ny hahafatesanao, ary mitsora tanana, hanome azy, araka ny anananao. Avant de mourir fais du bien à tes amis et selon tes moyens sois libéral.
Si 14:14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana, ary aza avela hisy latsaka, ny faniriana tsara, na tapany aza. Ne te refuse pas le bonheur présent, ne laisse rien échapper d' un légitime désir.
Si 14:15 Moa tsy havelanao ho an' ny hafa va, ny vokatry ny fisasaranao? Moa tsy hotapahina amin' ny filokana na an' iza na iza ny vokatry ny hasasaranao? Ne laisseras-tu pas à d' autres ta fortune? Et tes biens ne seront-ils pas partagés par le sort?
Si 14:16 Manomeza ary mandraisa, ka ampifalio ny fonao, fa tsy misy hitadiavana izay fiadanana, any amin' ny seoly. Offre et reçois, trompe tes soucis, ce n' est pas au shéol qu' on peut chercher la joie.
Si 14:17 Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra, ary lalana navoaka hatramin' ny voalohany : ho faty tokoa hianao. Toute chair s' use comme un vêtement, la loi éternelle c' est qu' il faut mourir.
Si 14:18 Toy ny ravina maitso eo amin' ny hazo be ravina; ny sasany ahintsany, ny sasany ampaniriny: toy izany ny taranaky ny nofo aman-dra; ny sasany maty, ny sasany vao velona. Comme le feuillage sur un arbre touffu tantôt tombe et tantôt repousse, ainsi les générations de chair et de sang les uns meurent et les autres naissent.
Si 14:19 Levona no hiafaran' ny asa mety levona rehetra, ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy. Toute oeuvre corruptible périt et son auteur s' en va avec elle.
Si 14:20 Sambatra ny olona misaintsaina ny amin' ny fahendrena, sy miteny amim-pahaizana mitsara zavatra; Heureux l' homme qui médite sur la sagesse et qui raisonne avec intelligence,
Si 14:21 izay mieritreritra ny lalany ao am-pony, ary mandinika ny zava-miafina ao aminy; qui réfléchit dans son coeur sur les voies de la sagesse et qui s' applique à ses secrets.
Si 14:22 manenjika azy (fahendrena) mova tsy ny mpihaza, mikendry ny fidirany. Il la poursuit comme le chasseur, il est aux aguets sur sa piste;
Si 14:23 Miondrika hijery eo am-baravarankeliny, mihaino eo am-baravarany. il se penche à ses fenêtres et écoute à ses portes;
Si 14:24 Miorim-ponenana manolotra ny fonenany indrindra, manatsatoka ny tsima-dainy eo amin' ny rindriny, il se poste tout près de sa demeure et fixe un pieu dans ses murailles;
Si 14:25 manangona ny lainy, manolotra azy, ary monina ao an-trano misy ny fahasambarana. il dresse sa tente à proximité et s'établit dans une retraite de bonheur;
Si 14:26 Mametraka ny zanany eo ambany fiarovany, ary mialoka eo ambanin' ny sampany. il place ses enfants sous sa protection et sous ses rameaux il trouve un abri;
Si 14:27 Ho voaro amin' ny hafanana izy eo amin' ny alokalony, ary hiala sasatra ao anatin' ny voninahitra. sous son ombre il est protégé de la chaleur et il s'établit dans sa gloire.

<-
->