<-
->

Si 4:1 Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra; ary aza mampiandry maso ny tsy manana. Mon fils, ne refuse pas au pauvre sa subsistance et ne fais pas languir le miséreux.
Si 4:2 Aza mampahory ny fanahin' ny noana; ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana. Ne fais pas souffrir celui qui a faim, n' exaspère pas l' indigent.
Si 4:3 Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka; ary aza milasilasy fanome ny mahantra. Ne t' acharne pas sur un coeur exaspéré, ne fais pas languir après ton aumône le nécessiteux.
Si 4:4 Aza atositosika ny mpangataka ory, ary aza iambohoan-tava ny mahantra. Ne repousse pas le suppliant durement éprouvé, ne détourne pas du pauvre ton regard.
Si 4:5 Aza miamboho tsy mijery ny malahelo ary aza avela hisy antony hanozonany anao; Ne détourne pas tes yeux du nécessiteux, ne donne à personne l' occasion de te maudire.
Si 4:6 fa raha manozona anao amin' ny fahorian' ny fony izy, dia hohenoin' ilay nanao azy ny fangatahany. Si quelqu' un te maudit dans sa détresse, son Créateur exaucera son imprécation.
Si 4:7 Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro hianao; ary aondreho ny handrinao eo anoloan' ny lehibe. Fais-toi aimer de la communauté, devant un grand baisse la tête.
Si 4:8 Henoy teny ny mahantra; ary omeo valy amin-kamoram-po izy, hahafinaritra azy. Prête l' oreille au pauvre et rends-lui son salut avec douceur.
Si 4:9 Afaho amin' ny tanan' ny mpampahory azy, izay ampahoriana; ary aza osa foana raha mitsara hianao. Délivre l' opprimé des mains de l' oppresseur et ne sois pas lâche en rendant la justice.
Si 4:10 Aoka ho toy ny ray amin' ny kamboty hianao, ho toy ny vady amin' ny renin' izy ireo, dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra hianao; ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy. Sois pour les orphelins un père et comme un mari pour leurs mères. Et tu seras comme un fils du Très-Haut qui t' aimera plus que ne fait ta mère.
Si 4:11 Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an' izay mikatsaka azy izy. La Sagesse élève ses enfants et prend soin de ceux qui la cherchent.
Si 4:12 Izay tia azy, tia fiainana; ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana. Celui qui l' aime aime la vie, ceux qui la cherchent dès le matin seront remplis de joie.
Si 4:13 Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany, ary amin' izay rehetra hidirany dia hitsofan' ny Tompo rano azy avokoa. Celui qui la possède héritera la gloire; où il porte ses pas le Seigneur le bénit.
Si 4:14 Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo. Ceux qui la servent rendent un culte au Saint et ceux qui l' aiment sont aimés du Seigneur.
Si 4:15 Izay mihaino azy, hitsara ny firenena; ary izay manatona azy honina fahizay. Celui qui l'écoute juge les nations, celui qui s' y applique habite en sécurité.
Si 4:16 Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy. S' il se confie en elle il l' aura en partage, et sa postérité en conservera la jouissance.
Si 4:17 Satria amin' ny voalohany izy, miara-mandroso amin' ny lalan-tsarotra miaraka aminy; mampihavy tahotra aman-korohoro aminy izy; mampijaly azy amin' ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin' ny didiny. Car elle peut le conduire d' abord par un chemin sinueux, faisant venir sur lui crainte et tremblement, le tourmenter par sa discipline jusqu'à ce qu' elle puisse lui faire confiance, l'éprouver par ses exigences,
Si 4:18 Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin' ny lala-mahitsy indray izy, ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy. puis elle revient vers lui sur le droit chemin et le réjouit, et lui découvre ses secrets.
Si 4:19 Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza. S' il s'égare, elle l' abandonne et le laisse aller à sa perte.
Si 4:20 Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy, ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin' ny tenanao. Tiens compte des circonstances et garde-toi du mal, et n' aie pas à rougir de toi-même.
Si 4:21 Misy henatra mitarika ny ota; ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana. Car il y a une honte qui conduit au péché et il y a une honte qui est gloire et grâce.
Si 4:22 Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao, ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana. Ne sois pas trop sévère pour toi-même et ne rougis pas pour ta perte.
Si 4:23 Aza mitan-teny amin' ny fotoam-pamonjena ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana. Ne tais pas une parole lorsqu' elle peut sauver et ne cache pas ta sagesse.
Si 4:24 Fa amin' ny fiteny no hahalalana ny fahendrena, ary amin' ny tenin' ny lela, no isehoan' ny fahaizana. Car c' est au discours qu' on connaît la sagesse et dans la parole que paraît l' instruction.
Si 4:25 Aza manohitra ny marina fa menara noho hianao tsy ampy fahalalana. Ne parle pas contre la vérité, mais rougis de ton ignorance.
Si 4:26 Aza menatra ny hiaiky heloka ary aza manoha ny fandehan' ny ony. N' aie pas honte de confesser tes péchés, ne t' oppose pas au courant du fleuve.
Si 4:27 Aza manaiky izay olona adala, ary aza resin-kenamason' izay olo-manam-pahefana. Ne t' aplatis pas devant un sot, ne sois pas partial en faveur du puissant.
Si 4:28 Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao, ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao. Jusqu'à la mort lutte pour la vérité, le Seigneur Dieu combattra pour toi.
Si 4:29 Aoka hianao tsy ho mafy teny, na ho kamo aman-kanosa amin' ny asanao. Ne sois pas hardi en paroles, paresseux et lâche dans tes actes.
Si 4:30 Aoka tsy ho toy ny liona hianao ao an-tranonao, na ho be haitraitra eo amin' ny mpanomponao. Ne sois pas comme un lion à la maison et un poltron avec tes serviteurs.
Si 4:31 Aoka ny tànanao tsy hitsotra raha handray, nefa hihemotra kosa nony hanome. Que ta main ne soit pas tendue pour recevoir et fermée quand il s' agit de rendre.

<-
->