<-
->

Si 29:1 Manao fiantrana izay mampisambotra ny namany; ary mitandrina ny didy izay manohana azy amin' ny tanany. Prêter à son prochain, c' est pratiquer la miséricorde, lui venir en aide, c' est observer les commandements.
Si 29:2 Mampisambora ny namanao raha poritra izy; ary hianao kosa mamerena amin' ny namanao, raha tonga ny fotoana. Sache prêter à ton prochain lorsqu' il est dans le besoin; à ton tour, restitue au temps convenu.
Si 29:3 Tano ny teninao, ary manaova aminy ara-dalana, dia hahazo izay ilainao hianao na amin' ny fotoana inona na amin' ny fotoana inona. Tiens bien ta parole et sois loyal avec autrui, et dans tous tes besoins tu trouveras ce qu' il te faut.
Si 29:4 Maro ny manao ny zavatra nampisamborina azy, ho toa zavatra hitany, ka miteraka fahasahiranana ho an' izay nanampy azy. Beaucoup traitent un prêt comme une aubaine et mettent dans la gêne ceux qui les ont aidés.
Si 29:5 Mandra-pandrain' ny olona dia orohany ny tanan' ny namany, ankalazainy amin' ny feo manetry tena ny hareny. Kanjo nony tonga ny fotoana hamerenany dia mangataka andro ny olona, teny fitarainana foana no averiny, ary ny andro sarotra no omeny tsiny. Avant de recevoir, on baise les mains du prêteur, on parle humblement de ses richesses. Au jour de l'échéance, on tire en longueur, on s' acquitte en récrimination, on s' en prend aux circonstances.
Si 29:6 Raha manan-kaloa ny olona dia zara raha mandray ny antsasany ny mpampisambotra, dia hihevitra azy ho nahazo zavatra tsy nampoizina. Raha tsy manan-kaloa indray ny olona dia tsy azony ny volany, ary ampanjariany tsy fidiny ho fahavalony ilay nasiany soa, izay mandoa sahato amam-panevatevana aminy, sy mamerina fanalam-baraka ho solom-boninahitra. Peut-on s' acquitter? Le prêteur recevra à peine la moitié de son argent et il pourra s' estimer heureux. Dans le cas contraire on l' aura frustré de son argent et il aura, sans l' avoir mérité, un ennemi de plus qui s' acquitte en malédictions et en injures et qui rend des outrages en guise de révérence.
Si 29:7 Be no manda tsy hampisambotra, noho ny haratsian' ny olona; matahotra ny hahaverezan' ny volany maimaim-poana izy. Bien des gens, sans malice, se refusent à prêter, ils ne se soucient pas d'être dépouillés malgré eux.
Si 29:8 Nefa aoka ho antra ny ory hianao; ary aza avela hiandry ny fiantrana omenao azy izy. Pourtant, sois indulgent pour les malheureux, ne leur fais pas attendre tes aumônes.
Si 29:9 Mamonje ny mahantra, noho ny didin' Andriamanitra, ary aza mandefa azy mitondra tanam-polo, noho ny fahoriany. Pour obéir au précepte, viens en aide au pauvre; il est dans le besoin : ne le renvoie pas les mains vides.
Si 29:10 Maneke hanary vola, hanasoavana ny rahalahy aman-tsakaizanao, fa aza avela ho harafesina foana ao ambany vato izy. Sacrifie ton argent pour un frère et un ami, qu' il ne rouille pas en pure perte, sous une pierre.
Si 29:11 Ampiasao ny rakitrao, araka ny didin' ny Avo Indrindra, dia hahazoanao soa mihoatra noho ny volamena izy. Use de tes richesse selon les préceptes du Très-Haut, cela te sera plus utile que l' or.
Si 29:12 Hidio ao an' efitranonao ny hataonao fiantrana, fa hamonjy anao amin' ny fahorianao rehetra izany. Serre tes aumônes dans tes greniers, elles te délivreront de tout malheur.
Si 29:13 Mihoatra noho ny ampinga mafy, sy ny lefona mahery, no hiadiany hiaro anao, eo anoloan' ny fahavalo. Mieux qu' un fort bouclier, mieux qu' une lourde lance, devant l' ennemi, elles combattront pour toi.
Si 29:14 Ny olona tsara fo miantoka ny namany, fa izay efa lany henatra ihany no mahafoy azy. L' homme de bien se porte caution pour son prochain; c' est avoir perdu toute honte que de l' abandonner.
Si 29:15 Aza manadino ny hatsaram-pon' izay niantoka, fa namehy tena ho anao izy. N' oublie pas les services de ton garant il a donné sa vie pour toi.
Si 29:16 Mahavery ny hareny rehetra, amin' ny mpiantoka azy, ny mpanota; ary mahafoy ny mpamonjy azy ny tsy mpankasitraka. Des bontés de son garant le pécheur n' a cure, l' ingrat oublie celui qui l' a sauvé.
Si 29:17 Nampiditra faty antoka tamin' olo-miadana maro, ny antoka nomena, ary nampivezimbezina azy, hoatra ny alon-dranomasina. Une caution a ruiné bien des gens heureux et les a ballottés comme les vagues de la mer.
Si 29:18 Nataony sesin-tany ireo olona nanam-pahefana, ka heriny mirenireny, any amin' ny firenen-kafa. Elle a exilé des hommes puissants qui ont erré parmi des nations étrangères.
Si 29:19 Mora manaiky hiantoka ny mpanota, ary hiharan' ny hamafin' ny fitsarana ny fatra-pitady tombony. Le méchant qui se précipite pour cautionner en quête d' un profit se précipite vers la condamnation.
Si 29:20 Manampia ny namana, araka ny azonao atao, ary mitandrema, mba tsy ho latsaka amin' ny fahoriana hianao. Viens en aide au prochain selon ton pouvoir et prends garde de ne pas tomber toi-même.
Si 29:21 Ny zavatra voalohany amin' ny fivelomana, dia ny rano sy ny mofo, ary fitafiana aman-trano hanaronana ny fitanjahana. La première chose pour vivre, c' est l' eau, le pain et le vêtement, et une maison pour s' abriter.
Si 29:22 Aleo ny fiveloman' ny mahantra ao ambany tafon-trano hazo, toy izay nahandro mandany be, any an-tranon' olon-kafa. Mieux vaut une vie de pauvre dans un abri de planches que des mets fastueux dans une maison étrangère.
Si 29:23 Mifalia, na kely na be anananao; dia tsy handre anao esoina ho vahiny hianao. Que tu aies peu ou beaucoup, montre-toi content, tu n' entendras pas le reproche de ton entourage.
Si 29:24 Fiainana mampiferin' aina ny mitety trano ombieny ombieny; any amin' izay handraisana anao ho vahiny, tsy sahy misoka-bava akory. Triste vie que d' aller de maison en maison, là où tu t' arrêtes, tu n' oses ouvrir la bouche;
Si 29:25 Hanome hanina amam-pisotro ny mpampiantrano anao hianao, na tsy ankasitrahana anao aza izany, ary handre teny maharary koa indray aza hianao ho fanampiny. tu es un étranger, tu sers à boire à un ingrat, et par-dessus le marché tu en entends de dures
Si 29:26 Avia, ry vahiny, amboary ny fihinanana, ary raha manan-javatra hianao, omeo aho hohaniko "Viens ici, étranger, mets la table, si tu as quelque chose, donne-moi à manger."
Si 29:27 Mandehana any, ry vahiny, ialao ity hanim-be ity; handray ny rahalahiko aho, ilaiko ny tranoko. "Va-t' en, étranger, cède à un plus digne, mon frère vient me voir, j' ai besoin de la maison."
Si 29:28 Mafy amin' ny olona manan-tsaina, ny mandre latsa amin' ny fampiantranoana azy, sy tevatevain' izay ananany trosa. C' est dur pour un homme sensé de s' entendre reprocher l' hospitalité, et d'être traité comme un débiteur.

<-
->