<-
->

Si 31:1 Ny fiaretan-torin' ny mpanankarena mandany ny nofo; ary ny ahiahy manala ny torimaso aminy. Les insomnies que cause la richesse sont épuisantes, les soucis qu' elle apporte ôtent le sommeil.
Si 31:2 Ny ahiahy lalandava misakana ny torimaso, toy ny aretina mafy mampandositra azy. Les soucis de la journée empêchent de dormir, une grave maladie éloigne le sommeil.
Si 31:3 Miasa ny manan-karena, mba hanangon-karena; ary nony mitsahatra izy mivoky fahafinaretana. Le riche travaille à amasser des biens et lorsqu' il s' arrête, c' est pour se rassasier de plaisirs;
Si 31:4 Miasa ny mahantra, noho izy tsy manan-kivelomana; ary nony mitsahatra izy, tsy manana na inona na inona. le pauvre travaille n' ayant pas de quoi vivre et dès qu' il s' arrête il tombe dans la misère.
Si 31:5 Izay tia volamena, tsy ialam-pahotana, ary izay fatra-pitady zava-mety lo ho voky izany. Celui qui aime l' argent n'échappe guère au péché, celui qui poursuit le gain en sera la dupe.
Si 31:6 Maro no efa natolotra ho amin' ny faharavana, noho ny amin' ny volamena, ary teo anoloan' izy ireo ny fahaverezana. Beaucoup ont été victimes de l' or, leur ruine était inévitable.
Si 31:7 Hazo manafintohina ho an' izay manatitra sorona aminy ny volamena: ny adala rehetra ho voa amin' izany. Car c' est un piège pour ceux qui lui sacrifient et tous les insensés s' y laissent prendre.
Si 31:8 Sambatra ny manan-karena ho hita tsy manan-tsiny, sy tsy mba nidodododo nitady volamena! Bienheureux le riche qui se garde sans tache et qui ne court pas après l' or.
Si 31:9 Iza moa izy, mba hankalazantsika azy hoe sambatra? fa nanao zava-mahagaga teo amin' ny fireneny izy. Qui est-il, que nous le félicitions? Car il fait des miracles dans son peuple.
Si 31:10 Iza no nozahan-toetra ny amin' izany, ka hita fa tsy manan-tsiny? Aoka ho foto-boninahitra ho azy izany fizahan-toetra izany! Iza no afa-nandika ny lalana, ka tsy nandika azy? afa-nanao ratsy ka tsy nanao izany? Qui a subi cette épreuve et s' est révélé parfait? Ce lui sera un sujet de gloire. Qui a pu pécher et n' a pas péché, faire le mal et ne l' a pas fait?
Si 31:11 Dia ho voaorina mafy ny fananany, ary hitory ny soa ataony ny fiangonana. Ses biens seront consolidés et l' assemblée publiera ses bienfaits.
Si 31:12 Tafapetraka eo amin' ny fihinanana efa voaroso tsara ve hianao? aza miloa-bava eo anoloany, ary aza manao hoe: Indreto ny nahandro betsaka. As-tu pris place à une table somptueuse? N' ouvre pas la bouche pour la vanter, ne dis pas : "Quelle abondance!"
Si 31:13 Aza manadino ny zava-dratsy ny maso mialona. Moa misy zava-boahary ratsiratsy kokoa noho ny maso mialona va? Koa mitomany izy amin' ny tava rehetra. Souviens-toi que c' est mal d' avoir un oeil avide y a-t-il pire créature que l' oeil? Aussi pleure-t-il à tout propos.
Si 31:14 Aza manatso-tanana amin' izay jereny; ary aza mifanehatra aminy, eo amin' ny lovia. Là où ton hôte regarde, n'étends pas la main, ne te jette pas sur le plat en même temps que lui.
Si 31:15 Tsarao araka ny anao ny fanirian' ny namanao, ka ataovy amim-pisainana ny zavatra rehetra. Juge le prochain d' après toi-même et en toute chose sois réfléchi.
Si 31:16 Mihinana araka ny fanaon' olona amin' izay eo anoloanao, ary aza mitsamontsamona, fandrao dia maharikoriko ny olona hianao. Mange en homme bien élevé ce qui t' est présenté, ne joue pas des mâchoires, ne te rends pas odieux.
Si 31:17 Hianao no mijanona voalohany noho ny mahatsara taiza anao, ary aza dia miseho ho tsy afa-po, fandrao dia manafintohina. Arrête-toi le premier par bonne éducation, ne sois pas glouton, de crainte d' un affront.
Si 31:18 Raha tafapetraka miaraka amin' ny maro hianao, aza manatso-tanana alohan' ny hafa. Si tu es à table en nombreuse compagnie, ne te sers pas avant les autres.
Si 31:19 Zavatra kely toy inona dia ampy ho an' ny olona tsara taiza! Noho izany eo am-pandriany izy, miaina malalaka tsara. Qu' il suffit de peu à un homme bien élevé! aussi, une fois couché, il respire librement.
Si 31:20 Ny torimaso mahasoa no an' ny ambavafo mahalala onony, mifoha maraina ny olona toy izany sady mavitri-tsaina. A régime sobre, bon sommeil, on se lève tôt, on a l' esprit libre. L' insomnie, les vomissements, les coliques, voilà pour l' homme intempérant.
Si 31:21 Raha mba voataona hihinam-be loatra hianao, dia mitsangana ka mitsangantsangana eny an-kalalahana, fa hihamaivamaivana. Si tu as été forcé de trop manger, lève-toi, va vomir et tu seras soulagé.
Si 31:22 Mihainoa ahy, anaka, ka aza manamavo ahy, ary ho hitanao ny hamarinan' ny teniko amin' ny farany: Mazotoa amin' izay rehetra ataonao, dia tsy havenin' aretina akory hianao. Ecoute-moi, mon fils, sans me mépriser plus tard tu comprendras mes paroles. Dans tout ce que tu fais sois modéré et jamais la maladie ne t' atteindra.
Si 31:23 Izay mahafoy malalaka amin' ny fanasana dia tsofin' ny molotra rano, ary marina ny teny ilazana ny hazavam-pony. On vante hautement un hôte fastueux et l'éloge de sa munificence est durable.
Si 31:24 Ny tanana manontolo no indray mimonomonona amin' izay kahihitra amin' ny fanasana ataony, ary marina ny teny ilazana ny fahidiany. Mais un hôte mesquin est décrié dans la ville et l' on cite les traits de son avarice.
Si 31:25 Aza manao ho dontolahy amin' ny divay, fa efa nahavery olona maro ny divay. Avec le vin ne fais pas le brave, car le vin a perdu bien des gens.
Si 31:26 Ny memy no izahan-toetra ny vy, raha aofana izy; ny divay koa no izahan-toetra ny fo, raha mifanditra ny mpirehareha. La fournaise éprouve la trempe de l' acier, ainsi le vin éprouve les coeurs dans un tournoi de fanfarons.
Si 31:27 Toy ny fiainana ho an' ny olona ny divay, raha sotroinao am-patrany marina. Fiainana toy inona no an' izay tsy manan-divay? Fa ny hampiravoravo ny olona no nanaovana ny divay. Le vin c' est la vie pour l' homme, quand on en boit modérément. Quelle vie mène-t-on privé de vin? Il a été créé pour la joie des hommes.
Si 31:28 Firavoravoan' ny fo amam-pifalian' ny fanahy, ny divay raha sotroina amim-potoana sy am-patrany marina. Gaîté du coeur et joie de l'âme, voilà le vin qu' on boit quand il faut et à sa suffisance.
Si 31:29 Fangidiam-panahy ny divay raha isotroana be, raha mirehidrehitra sy mifandiditra ny olona. Amertume de l'âme, voilà le vin qu' on boit avec excès, par passion et par défi.
Si 31:30 Ny hamamoana dia mampirehitra ny hatezeran' ny adala sy mampipotraka azy: mampihena ny hery ary mahatonga ratra. L' ivresse excite la fureur de l' insensé pour sa perte, elle diminue sa force et provoque les coups.
Si 31:31 Amin' ny fanasana, aza mandevilevy ny namana, ary aza maneso azy raha mbola ao anatin' ny fifaliana izy; aza manao teny fanalam-baraka azy, ary aza manery azy amin' ny fitakian-javatra aminy. Au cours d' un banquet ne provoque pas ton voisin et ne te moque pas de lui s' il est gai, ne lui adresse pas de reproche, ne l' agace pas en lui réclamant de l' argent.

<-
->