Entry milofo (lofo)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Miezaka amin-kiry, mampiasa ny hery rehetra azo atao, mikely aina: Nilofo mafy tamin' ny fianarana izy ka tsy mahagaga raha afa-panadinana
Mitovy hevitra: fola-damosina ~ manao ain-tsy ho zavatra ~ manao ampinga tratra ~ manao an' aina ~ manao an-ditra ~ manao anjolofo ~ manao botraika ~ manao kely andilana ~ manao lazo be ~ manao sakafo ambany foitra ~ manao salaka fohy rambo ~ manao valangitrika ~ manao vy very ny aina ~ manao' amboa ditsika ~ mandany mondron-kery ~ mandany ron-doha ~ may volon' orona ~ may volon-tratra ~ miady fo ~ miady fo aman' aina ~ mialakabontana ~ mialakaforo ~ miantotomaty ~ miezaka ~ mifofotra ~ mikaozatra ~ mikely aina ~ mikezaka ~ mikikitra ~ mikiribiby ~ mikiry ~ mikofo ~ mikoko-maty ~ mikokotra ~ mikoremby ~ milofika ~ milozoka ~ mimaso ~ mimokimoky ~ mimokitra ~ miokitra ~ miongo-bolo ~ misikim-ponitra ~ mitozo ~ mivaky tratra ~ sady mifofotra no mively vy ~ tsy manamohamo ~ tsy manary karama ~ tsy mandala aina ~ tsy mandry andro tsy mandry alina ~ tsy miala vehana ~ tsy mikely soroka ~ tsy mikoso-maso ~ tsy miroa fo ~ tsy misatry fanahy ~ tsy mitandro hasasarana ~ tsy mitarain-tanana ompaka [1.1]
Explanations in English To persevere, to persist [1.7]
Explanations in French Persévérer, s'opiniâtrer [1.8]
Morphology 
Present : milofo
Past : nilofo
Future : hilofo
Imperative : milofosa

Entry milofo (lofo)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Manana omby hovonoina hatao lofo [1.1]

Anagrams 

Updated on 2020/07/31