Entry alatsinainy
Part of speech noun
Malagasy definition (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [Ravelojaona: Firaketana]

 andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [Rajemisa 1985]
English definition Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [Richardson 1885]
 Monday. [Hallanger 1973]
French definition le lundi. [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 lundi. [Rajaonarimanana 1995]
  [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Beaujard 1998]
 lunedi [Profita 1969]
German definition Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [Bergenholtz 1991]
Vocabulary 
Analogues  Measure of Time
Examples 
1Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 101]
2Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [Andraina: Mitaraina, page 57]
Toponymy Place names having the word alatsinainy (2): Alatsinainy, Alatsinainy-Loharano

Entry Alatsinainy
Part of speech name (toponym) [list]
Malagasy definition anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [Rajemisa 1985]
English definition the place of holding Monday's market. [Richardson 1885]
French definition noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [Abinal 1888]
 marché du lundi. [Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary 
Toponymy alatsinainy

2019/02/01