|
|
|
|

Entry (1/2)1  alarobia
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 (Arabo Al arbàatu, El-arba'a: fahefatra)
4 Andro fahafito tamin'ny ntaolo.
5 
6 "Alarobia tsy miverina" no nilazan'ny razana azy, ka: andro fandevenana, famangia-malahelo,
7 fialan-tsaona.
8 
9 Tsy fanao ny miainga hivahiny, na hanavin-draharaha amin'io, fa tsy hahavanona,
10 na ho faty any tsy ho tafody an-tanindrazana, hoy izy;
11 fady, torak'izany koa, ny manao hasoavan-jaza Alarobia, fa tsy hiverenan'ny fitahiana hoe.
12 Ny Alakamisy sy ny Alahady no mifanohitra amin'ny "Alarobia tsy miverina",
13 araka ilay nantsoina teo
14 (Jereo Alakamisy) hoe:
15 somary "milalao teny" ny ntaolo: tsy mandevina Alahady, sao malady
16 mitranga ny fahafatesana, na Alakamisy, sao malaky misy maty.
17 
18 Ny "Alarobia mifoha Alakamisy" sy ny "Asabotsy mifoha Alahady", dia natao ho fotoana
19 tsara fanaovan-java-baventy, toy ny hoe, ohatra: raha hanao zavatra na hanavin-draharaha
20 any lavitra, lalana aleha andro maromaro, dia kendrana ny hahatonga ao amin'ilay
21 toerana ny harivan'ny Alarobia, na Asabotsy, hahazoana mandry ao, dia eo
22 an-toerana no mifoha hanao ilay zavatra ny marainan'ny Alakamisy na Alahady.
23 
24 Izany no nokendrena raha misy vohitra halàna (hotafihina), na raha misy kabary
25 lehibe asaina vonjen'ny olona. Alarobia tsy miverina, no nanorenan-tsena ho an'i Vakinisaony,
26 mba tsy hiverina amin'Andrianamboatsimarofy intsony ny fanjakana --
27 dia ny tsenan'Alarobia-Amboanjobe.
28 
29 Ny zaza teraka Alarobia dia natao Rabe no anarany eto Imerina, ary Rabia, na Ibia, any
30 Betsileo, ets.; tsy mihety na manala hoho Alarobia ny olona teraka amin'io andro io.
31 -- Lahimbahona no faditry ny Alarobia. Raha ohatra ka Alarobia no tsinana ny Alahasaty,
32 dia tsy fanaon'ny ntaolo amin'io andro io ny mamono zavatra (biby) afa-tsy ny
33 misoratra manja mena. [1.10]
34 andro fahefatra amin'ny herinandro.
35 Araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia satria ny alarobia,
36 hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty,
37 fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia
38 ho andro famangia-manjò. [1.1]
Explanations in English  39 Wednesday. [Ar. al-arba'ata - Fourth.] [1.2]
40 Wednesday [1.7]
Explanations in French  41 le mercredi [1.3]
42 mercredi [1.5, 1.8]
43 mercredi [ar.: arba'a, quatre, al-arba'a, mercredi] [1.6]
Examples  44  alarobia maraina iny andro nahatongavany iny. [2.472]
Vocabulary  45  Time
Hyperonym 
Co-hyponyms 
All compound words  54  2 combinations of this word
Tables and plates  55  Measure of Time

Entry (2/2)56  Alarobia
Elementary words  57 alarobia
Part of speech  58  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  59 anaran'ny tanàna na vohitra misy tsena (lehibe)
60 amin'ny io andro io, toa an-Alarobian'i Vohiposa, Alarobian-Amboanjobe. [1.10]
61 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English  62 the place of holding Wednesday's market. [1.2]
Explanations in French  63 nom des marchés qui se tiennent en ce jour
64 et de leur emplacement. [1.3]
65 marché du mercredi [1.5]
Examples  66  Lemademaka ery alarobia
avo mahatazana Ambohijanahary
ketrak' ila misasaka Imahamasina
[2.131]
Vocabulary  67  Geography: towns

Anagrams  alarobia, Alarobia

Updated on 2025/11/21