|
|
|
|

Entry (1/3)1  alakamisy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi). Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina. Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa. Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10]
4 andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [1.1]
Explanations in English  5 Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2]
6 Thursday [1.7]
Explanations in French  7 jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]
8 Amin'ny alakamisy (À jeudi)
9 Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi) [1.5]
10 jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [Tanala] [1.6]
Examples  11  Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
12  Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Vocabulary  13  Time
Hyperonym 
Co-hyponyms 
All compound words  22  3 combinations of that word
Proverbs  23  Proverbs containing that word
Tables and plates  24  Measure of Time

Entry (2/3)25  alakamisy
Part of speech  26  noun
Explanations in Malagasy  27 hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
28 Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1]
Explanations in English  29 a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
30 Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [1.2]
31 Burasaia crateva [2.515]
Explanations in French  32 arbre dont on fait des remèdes. [1.3]
33 nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [Tankarana] [1.19]
34 (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement : [Bezanozano]
35 Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
36 Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
37 Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
38 Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
39 Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196]
Examples  40  alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Vocabulary  41  Botany: medicinal plants
Scientific name 
Quotes  48  Texts mentioning that word

Entry (3/3)49  Alakamisy
Elementary words  50 alakamisy
Part of speech  51  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  52 Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10]
53 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English  54 the place where Thursday's market is held. [1.2]
Explanations in French  55 les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3]
56 marchés du jeudi. [1.5]
Examples  57  Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Vocabulary  58  Geography: towns

Anagrams  alakamisy, Alakamisy, 59 misaliaka

Updated on 2025/12/13