Index

Proverbs : saro-po

Proverb 1Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza. [2.165 #1834]
Aza saro-po manan' anaka, fandrao tsy manan-dray ny ankizy. [2.653 #707, 2.415]
Aza saro-po manan' anaka, fandrao tsy manan-dray ny zaza. [2.653 #707, 2.415]
Saro-po manana anaka, ka tsy hanan-dray ny ankizy. [1.1 #72, 2.415 #2558, 2.558]
Malagasy interpretationHahantra izay manary na mandao ny asa na raharaha fanaony noho ny hasosorana kely tsy toy inona. [1.1 #72]
French translationNe vous emportez pas quand vous êtes enceinte, de peur que l' enfant n' ait pas de père. [2.165]
Que l' épouse qui a des enfants ne soit pas irascible, de peur que ses enfants ne soient privés de père. [2.415 #1362]
Si une femme qui a des enfants se fâche pour un rien, le mariage ne tiendra pas et les enfants n' auront plus de père. [2.415 #2558]
French interpretationAllusion à la facilité avec laquelle les femmes étaient répudiées par leurs maris. [2.415 #1362]
Ce proverbe, outre son sens littéral, se disait des gens qui quittent leur emploi à la moindre difficulté et finissent par tomber dans la misère. [2.415 #2558]
Parce que, si vous vous emportez, vous courez le risque d' être divorcée. [2.165]

Proverb 2Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambony fe. [2.558 #778, 2.653 #639]
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin' ny fe. [2.165 #1094]
Mandidy hena ambony fe ka misolo vaika ny akalana. [2.558 #2067]
Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe. [1.1]
Misolo voina ny akalana, ka mikapa hena ambony lohalika. [2.415]
Misolo voina ny akalana, ka mitetika ambony felatanana. [2.415]
Misolo voina ny akalana: mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #1837]
Misolo voina ny akalana ve no miteti-kena ambony felatanana? [2.558]
Saro-po amin' akalana, ka miteti-kena ambony felantanana. [2.558]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy. [1.1]
French translationÉpargner le billot et découper la viande sur le genou ou sur la paume de la main. [2.415 #3856]
Ne prenez pas la place du hachoir en découpant la viande sur votre cuisse. [2.165]
French interpretationSe disait des gens qui s'exposent au malheur ou subissent un préjudice, en se portant caution pour d' autres ou en cherchant à les protéger. [2.415 #3856]

Proverb 3Nahoana no saro-po aman' entana ka ho sola irery ? [2.558]
Nahoana no saro-po an' entana, ka ho sola irery ? [2.165 #404, 2.415 #2133, 2.653 #2065]
French translationPourquoi êtes-vous irascible ainsi en portant les fardeaux sur la tête ? Vous serez un chauve méprisé et délaissé. [2.415 #2133]
Pourquoi ne voulez-vous pas qu' on vous aide à porter votre fardeau (sur la tête), de sorte que vous seul deviendrez chauve? [2.165]
French interpretationSe disait des mauvais caractères. [2.415 #2133]

Proverb 4Nahoana no saro-po manan' anaka : sao tsy manandray ny ankizy ? [2.558]

Proverb 5Ny osa tsy mba saro-po ary ny mahery tsy mba mandefitra. [2.558 #3206]
Ny osa tsy mba saro-po, ny mahery tsy mety handefitra. [2.415 #669, 2.653 #2388]
French translationLes faibles ne s' emportent pas facilement ; les puissants ne savent pas patienter et endurer. [2.415 #669]

Proverb 6Saro-po aman' entana ka ho sola irery, kitoina aman-kavana, ka miherikerika tsy misy mpamangy. [2.558 #251]
Saro-po aman-entana, ka sola irery. [2.653 #2868]

Proverb 7Saro-po amin’ akalana, ka miteti-koditra amin-tanana. [2.653 #2869]
Misolo voina ny akalana : mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #2869]

Proverb 8Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana. [2.165 #1800, 2.653 #2870]
Saro-po manan-tokana, ka tsy misy hamolahana. [2.558 #3847]
French translationUn homme violent qui n'a qu' une femme, et il n' en a pas deux qu' il pourrait mater plus aisément. [2.165]
French interpretationEn les rendant jalouses l' une de l' autre. [2.165]

Proverb 9Saro-po nanan-tsingany : nanao ahoana kokoa raha nanan-droa ? [2.558 #3848]

Proverb 10Saro-po tsy amin-karena : mainka izany raha nanana kokoa ! [2.558 #3849]

Index