Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   Fanambarana, fampisehoana ary fampielezana am-bava na an-taratasy
¶ Fahatantarana manehoeho ananan'ny olona momba ny tena: Nahabe laza azy ny fanaovany ny marina teo amin'ny fifidianana
¶ Fiheverana, na tsara na ratsy, ananan'ny olona momba ny tena na zavatra iray: Ratsy laza izy hatramin'ny hala-bato nampanaoviny ~ Tsara laza amin'ny tany ama-monina izy [Rajemisa 1985]
English translation   a report [Hallanger 1973]
   fame, honour, glory [Richardson 1885, Hallanger 1973]
French translation   action de dire [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
   action d'annoncer, de publier [Abinal 1888]
   un rapport [Hallanger 1974]
   renommée [Abinal 1888, Hallanger 1974, Beaujard 1998]
   réputation [Abinal 1888, SLP: Voambolana, Beaujard 1998]
   célébrité [SLP: Voambolana, Rajaonarimanana 1995, Beaujard 1998]
   glorification, louange [Abinal 1888]
   renom [SLP: Voambolana]
Italian translation   reputazione [Profita 1969]
Examples  
1Nitombo laza hafahafa izany I Feno tao an-tanàna [Andraina: Mitaraina]
2Tsara laza izy (Il a bonne réputation) [Abinal 1888]
3Nahabe laza azy ny nataony (Ce qu'il a fait lui a fait acquérir une grande renommée) [Abinal 1888]
4Hanimba ny lazany izany (Cela nuirait à sa réputation) [Malzac 1893]
5hampandroso mandrakariva ny voninahitrao aman-dazanao [Meller: Fivavahana]
Derivations  
Morphology  
laza
lazako
lazanao
lazany
lazantsika
lazanay
lazanareo
lazan'
lazan-
lazam-
-daza
-dazako
-dazanao
-dazany
-dazantsika
-dazanay
-dazanareo
-dazan'
-dazan-
-dazam-
Compound words, titles, names  

Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   famaky kely fitondra mandeha [Sakalava] [Rajemisa 1985]
Vocabulary  

Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   lanonambe makotrokotroka, manehoeho [Betsileo, Betsimisaraka] [Ravelojaona: Firaketana]
French translation   fêtes à l'occasion de la circoncision [Tankarana] [David 1952 (takila L)]

Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   zavamaniry atao hoe fanto ny hodiny ary fanao lamba tahaka ny hafotra. Alaina ny hodiny dia kapohina tsara, asiana menaka hahamandomando azy, dia kapohina indray mandra-pahalemin' ny tsiratsirany, dia diovina; izay vao itohitohy ho azo tenomina; anaovana sikina sy salaka. Any amin' ny faritanin' Ikongo (Tanala atsimo) no be azy [Ravelojaona: Firaketana]
English translation   a plant whose bark is used to make the lamba called fanto. The root supplies a medicine [Tanala] [Richardson 1885]
Vocabulary  

Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   (Cissus laza) zavamaniry hita any amin' ny faritany atsimo (Toleara), indrindra fa any Androy. Mahatratra 4 metatra ny haavony. Hafahafa ny bikany: mivelatra be ny vatany eo am-potony manakaiky ny tany, mety mahatratra 2 metatra ny velarany, dia mihakely arakaraka ny isondrotany avo, dia mandeha amin' izay ny rantsany iray lehibe tohin' ny vatany ary dia mandady mihodidina amin' izay hazo hafa eo akaikiny toy ny fanaon'ny vahy io. Malemilemy ny atin' ny vatany; mitahiry rano be io -- rano nofohiny tao anatin' ny fahavaratra fohy; io no ivelomany mandritra ny volana maro main-tany kely orana. Eo amin' ny toerana maina, be akorovato no faniriany. Vakivaky ny hodiny sady malemy koa. Mandravina izy amin' ny fahavaratra ary vonivony ny fanjany. Misy voany lehibe maintimainty; tian' ny olona any tokoa izany na dia somary manaiki-dela sy lanilany aza. Tsy dia maro loatra izy fa mahalankalana ihany, eny anaty akorovato eny. Voaloboka-dia (vigne sauvage) no anarana ilazan'ny Vazaha azy. [Ravelojaona: Firaketana]
English translation   A tree with edible fruit [Richardson 1885]
French translation   arbre, Ficus reflexa Thumb. ssp. reflexa (ex F. pyrifolia Lamk. var. occidentalis), famille des Moracées. Souvent planté à l'est des "grandes maisons"; il assure la prospérité, la renommée du village. Remède contre la fatigue, et contre la toux. Plante du destin astrologique Adalo. Remède si on tombe malade sous le destin Alizady. Entre dans des charmes protégeant de la sorcellerie. Utilisé dans des charmes enterrés qui assurent la croissance du troupeau de zébus. [Mahafaly, Sakalava, Tanala] [Beaujard 1998]
Malagasy definition   ficus planté parfois à l'est du tranobe [Rajaobelina: Malgache]
Scientific name   Ficus reflexa, Ficus pyrifolia, Cissus laza
Vocabulary  

Entry laza
Part of speech   noun
Malagasy definition   (Ocotea) zavamaniry amin' ny antokon' ny laurinées; betsaka ao amin' ny faritany avaratra. Manitra kanelina ny hazony [Ravelojaona: Firaketana]
Scientific name   Ocotea
Vocabulary  

Entry laza
Part of speech   noun
French translation   Variété de liane (Vitacée, Cyphostemma laza Descoings) [Vezo] [Poirot & Santio: Vezo (takila L)]
Scientific name   Cyphostemma laza
Vocabulary  

Entry Laza
Part of speech   name (anthroponym) [list]
Malagasy definition   fanampin' anarana malagasy [3.1]
Examples  
1Voalohany, anisan'ireo nasaina mantsy i Laza Razanajatovo, mpanatontosa horonantsary ary fantatra amin'ny fikarakarana ny "Rencontres du Film Court" [ ]
2Ao amin’i Fermilab no anomanan’i Laza Rakondravohitra ny doctorat en physique mandritra ny telo taona hoavy [US Mission ]

Updated on 2017/03/10