| Entry | 1 totorebika |
| Elementary words | 2 toto, 3 rebika |
| Part of speech | 4 noun |
| Explanations in Malagasy |
5 Dihy manao don-tongotra amin' ny tany tsy an-kijanona [1.1] |
| Explanations in English |
6 a dance of joy [1.7] |
| Explanations in French |
7 danse de joie [1.8] |
| Examples |
8 Niditra ny loholona, nanao dihy tsinjaka, ary nanaraka ny vehivavy, nanao totorebika sy dada.
[2.270#]
9 Ny totorebika: ity dia maro mpahalala: manao sikim-balaka ny lehilahy manao azy, manipy sandry malefadefaka dia raikitra mitoto amin' izay, ny tongotra toy ny mively langoraony, mitana ba, manamafy ny lamako. [2.436#] |
| Updated on 2025/09/12 |
|