|
|
|
|

Entry (1/2)1  dihy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
4 Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany [1.1]
Explanations in English  5 a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka [1.2]
6 a dance, dancing [1.7]
Explanations in French  7 danse [1.3#102, 1.8]
8 sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
9 le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point [1.3#102]
Examples  10  Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
11  Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
12  Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Names :
Synonyms  22 danise, tsinjaka
Analogs  23  afindrafindrao, 24  dada, 25  dihysoroka, 26  jaiko, 27  sahoby, 28  salegy, 29  soamaroroka, 30  soratra, 31  totorebika, 32  tsaramiera, 33  tsinjaka, 34  tsipisandry, 35  velatanana
All compound words  36  12 combinations of this word
Proverbs  37  Proverbs containing that word

Entry (2/2)38  Dihy
Elementary words  39 dihy
Part of speech  40  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  41  Literature: poems
Author  42 Rabearivelo Jean-Joseph
Full text  43 
44  Ritsodritso-baliha telo,
45  gobogobok' ampongatapaka,
46  lokanga dimy indray dinidy
47  sy sodin-taolana tsara loaka.

48  Io misonenika Ratovovavy,
49  miakanjo manga marain-droa !
50  Ny lamba valaka mavokely;
51  raozy gasy ao anaty volo.

52  Tsoakam-bero sa bararata
53  mihararetra any amoron' ala ?
54  Sidintsidin' ny andro meva,
55  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

56  Io misonenika Ratovovavy,
57  moana tahaka ny Fiadanana;
58  valiha telo, ampongatapaka,
59  lokanga, sodina no indray henony.

60  Fa injay ny molony mangovingovitra,
61  ipololoran'ny nofinofy;
62  tsy toha intsony ka zary kalo,
63  dia zary hira nony efa avy eo.

64  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
65  ka io mirotsaka mba handihy,
66  mitari-joro ny ila sikiny,
67  dia toy ny androny mirefarefa.

68  Tsy kalokalo na hirahira
69  no mampifelana izato endriny,
70  ranomaso no mamonto azy,
71  mahatsiaro ny maty rehetra...

72  Mahatsiaro... Toa fenomanana
73  efa ho rendrika tsy ho hita.
74  inty mihintsana ny lohataona
75  ka zary fasana ravi-maina...

76  Dia mifanojo ny loha tondro,
77  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
78  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
79  samy tanteraky ny hazavana.

80  Mifanojo ka toa tetezana
81  ifanohizan' ny alin-kely
82  efa foy ery an-tendrombohitra,
83  sy ny andro maneno akoho !

Anagrams  Dihy, dihy, 84 hidy

Updated on 2025/11/21