Index

Proverbs : valavo

Proverb Valavo Ampasimbola : velon’ ny fanahiny. [Samson 1965 #V65]

Proverb Valavo ho velona am-barangaran-davaka. [Samson 1965 #V58]

Proverb Valavo ho velona, anjon-davañy. [Houlder 1895]
Malagasy interpretation Voalavo no velona, akaiky ny lavany. [Houlder 1895]

Proverb Valavo lahy mitakonjevoña: feno ñy lailainy foaña. [Houlder 1895]
Malagasy interpretation Voalavo lahy mitondra zevona: feno ny lailainy foana. + Zevona: volo (hazo) vao maniry izay malailay mihitsy raha raisina. [Houlder 1895]

Proverb Valavo lahy nilomany riaka, velona tsisy hiravo, maty tsisy hitserika. [Samson 1965 #V62]

Proverb Valavo lahy tsy namian-deona : ampiana mahafotsy, tsy ampiana mahafotsy. [Samson 1965 #V60]

Proverb Valavo nanandran-tsira ; lah’ manindroa omban’ aty latsaka. [Samson 1965 #V57]

Proverb Valavo nirangotim-piso : tsy maty fa fohafoha volo. [Samson 1965 #V64]
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. [Houlder 1895]
Malagasy interpretation Voalavo norangotin-tsaka: tsy maty fa lava volo (mahia koa). [Houlder 1895]

Proverb Valavo nitakon-jevona : feno lainy foana. [Samson 1965 #V61]

Proverb Valavo nitety amandotra : tsy mbola dila ny lohany ka mikiokioka. [Samson 1965 #V63]
Valavo nitety amandotra: tsy mbola dila ñy lohany koza ka mikiokioka. [Houlder 1895]
Malagasy interpretation Voalavo nitety mandotra: tsy mbola afaky ny lohany akory ka mikiakiaka. [Houlder 1895]

Proverb Valavo tokana tsy mikirintsana, zaza maty reny tsy minono. [Samson 1965 #V59]

Index