Index

Proverbs : trafon-kena

Proverb 1Trafon-kena ambony ravina : ny manindry malemy, ny tsindriana malemy. [2.558 #282]

Proverb 2Trafon-kena amy ny vody sobiky : malaza ihany, fa afa-boninahitra. [2.653]
Trafon-kena amin' ny vody sobika : malaza ihany fa afa-boninahitra. [2.415 #4612]
French translationBosse de boeuf dans un vieux fond de corbeille usée : elle est célèbre, mais déshonorée. [2.415]
French interpretationSe disait des grands, déchus de leur grandeur. [2.415 #4612]

Proverb 3Trafon-kena be rano : hanina amy ny lazany. [2.653 #3262]
Trafon-kena be rano : hanina amin' ny lazany. [2.415 #4613]
Trafon-kena be rano ka hanina amin' ny lazany. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy; ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zava-bitany. [1.1]
French translationBosse de boeuf cuite avec beaucoup d' eau : elle n' est pas bonne, mais on la mange parce qu' elle est célèbre. [2.415]
French interpretationLa bosse de boeuf était très appréciée. Le sens du proverbe est que la renommée supplée parfois à la beauté, à la qualité. [2.415]

Proverb 4Trafon-kena ome-mahery : am-bava homana, am-po mieritra. [2.653 #3263, 2.974 #333]
French translationBosse de bœuf offerte à un homme puissant : sa bouche en mange, mais son cœur réfléchit. [2.974 #333]

Index