Index

Proverbs : angatahina

Proverb 1Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana ? hoy Ilaisarotra, ny tenako aza an-tsaiky tsy homeko ka ! [2.415]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahana? hoy Ilaisarotra : Ny tenako aza antsaky tsy homeko ka! [2.653 #2032]
Nahoana no dia izaho avy no mba angatahina ! hoy Ilaisarotra. [2.558 #2670]
French translationPourquoi me demande-t-on, dit l'avare, à moi qui refuserais presque à ma propre personne ! [2.415 #2313]
French interpretationParoles d'avare. [2.415 #2313]

Proverb 2Ny afon-dolo, afon' angatra, ka tsy azonao angatahina. [2.558 #2827]

Proverb 3Ny fihavanana tsy azo vidina. [2.165 #160]
Ny fihavanana tsy azo vidina : angatahina, mora foana. [2.653 #2228]
Ny fihavanana : vidiana sarotra, angatahina mora. [2.558 #2987]
French translationL' amitié ne s' achète pas. [2.165]

Proverb 4Ny ho fara, ny ho dimby mandrakizay no angatahina. [2.415 #1222]
French translationCe que je demande c' est d' avoir des continuateurs, des successeurs. [2.415 #1222]
French interpretationFormule employée dans les discours de demande en mariage. [2.415 #1222]

Proverb 5Raha haka ny an' ny olona mivelatra ohatra ny tafoben-trano, fa nony hanefa, mihorona toy ny tapenaka. [2.558]
Raha haka ny an' olona, mivelatra hoatry ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona hoatry ny tapekana. [2.415 #4447]
Raha haka ny an’ olona, mivelatra ohatra ny tafoben-trano, ka nony handoa, mihorona ohatra ny tapenaka. [2.653]
Raha hangataka, mivelatra ohatra ny tafontrano; raha hangatahina, mihorona ohatra ny tapenaka. [1.1]
Malagasy interpretationEntiamilaza ny olona tia tena: rehefa hangataka aminao izy, miseho ho toy ny olona tsara, malala-tanana; rehefa hangatahanao zavatra kosa izy, tsy hahitanao mangirana. [1.1]
French translationQuand on emprunte, on s' ouvre comme la grande couverture du toit, et quand il s' agit de rembourser, on se rétrécit comme le pignon. [2.415 #4447]
French interpretationFacile pour emprunter, difficile pour rembourser. [2.415 #4447]

Proverb 6Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nahazoana. [2.165 #1135, 2.415 #5475, 2.974 #380]
Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nahazoana azy. [2.558 #3870]
Setroky ny kitay nangatahina, ka tsy te-hijery ny trano nehazoana. [2.653 #2884]
French translationAvoir été incommodé par la fumée du combustible qu' on a eu pour rien, et ne plus vouloir regarder la maison de ceux qui l' on donné (litt. la maison où on l' a obtenu). [2.165]
Enfumé par le bois et la paille à brûler qu' on a demandés, on ne veut pas regarder la maison où on les a reçus. [2.415 #5475]
Tellement aveuglé par la fumée, qu’il n’en ose plus regarder la maison où il a demandé du jeu. [2.974 #380]
French interpretationSe disait de l' ingratitude. [2.415 #5476]

Index