Index

Proverbs : alana

Proverb 1Nify hanin' ny olitra ka ny alana ihany no mahatsara azy. [2.558]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa azy. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra : ny afaka ihany no mahasoa odiny. [2.415 #2817]
Nify hanin' ny olitra: ny afaka ihany no odiny. [1.1]
Nify lanin' ny olitra ka alana no mahatsara azy. [1.1]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no maha-soa azy. [2.653]
Nify lanin’ ny olitra : ny afaka ihany no odiny. [2.653]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa raha misy zava-manahirana na manorisory, dia ny fakany no tokony hofongorina, fa tsy ho sitrantsitrana amin' ny fanasiam-panafody tsikelikely miverimberina fotsiny. [1.1]
Enti-milaza zava-manahirana izay aleo alana haingana na indray mandeha na taikelikely satria tsy maintsy hoesorina ihany ary mampijaly tsy ankijanona. [1.1]
French translationDents cariées, mangées par les vers, elles ne sont bonnes qu' à être arrachées, c' est le seul remède. [2.415 #2817]
French interpretationLes Malgaches attribuaient la carie des dents à un ver rongeur ; l' expression se disait de ce qui n'était bon qu' à être enlevé. [2.415 #2817]

Proverb 2Ny harena tahaka ny volon' orona : kely alana maharary, be alana maharary. [2.558 #3035]
Ny harena toy ny volon’ orona: be alana, maharary; kely alana, maharary. [2.415 #2227, 2.653 #2252]
Ny harena toy ny volon' orona, ka be alana maharary kely alana maharary. [2.165]
Volon’ orona ny harena : be alana, maharary; kely alana maharary. [1.147]
French translationLa richesse est comme les poils du nez: on en arrache beaucoup, ça fait mal, on en arrache peu, ça fait mal encore. [2.165 #740]
Les richesses c' est comme les poils du nez : arrachez-en beaucoup, cela fait mal ; arrachez-en peu, cela fait mal. [2.415 #2227]
French interpretationSe disait de l' attachement aux richesses. [2.415 #2227]

Proverb 3Ny tsiny azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanafana. [1.1]
Ny tsiny no azo alana fa ny tody tsy misy fanafana. [2.558 #215]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa ny tsiny dia azo alana raha mis-la tsiny ianao, fa ny tody kosa tsy maintsy mihatra satria, noho ny mahavalin' ny ratsy natao azy, dia tsy azo sakanana izy, toy ny ako tsy maintsy mamerina ny feo. [1.1]

Proverb 4Raha olom-pady no ampivadina, dia alana ondrana. [2.415 #1230]
French translationQuand on marie ensemble des personnes qui ont un empêchement, il faut enlever cet empêchement avant le mariage. [2.415 #1230]

Proverb 5Toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra. [2.415 #1719]
Toy ny tongo-bakivaky : sady manaintaina no mahamenatra, alana ny loto vao mitondra fasika mody. [2.558 #4328]
Toy ny tongotra vakivaky: sady maharary no mahamenatra. [2.165 #2074]
Tongo-bakivaky, ka sady maharary no mahamenatra. [2.558]
Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra. [2.415 #5311, 2.653 #3135, 1.1]
Malagasy interpretationIlazana toetra ratsy izay sady ahitam-pahavoazana ho an' ny ankohonana no mahafa-baraka amin' ny any ivelany. [1.1]
French translationC' est comme les pieds gercés, cela fait mal et cela fait honte. [2.415 #1719]
Comme des pieds tout crevassés, c' est douloureux et honteux en même temps. [2.165]
Les pieds qui se fendillent ne font pas seulement mal, mais encore il donne de la honte. [2.415 #5311]
French interpretationSe disait de ce qui donne de l' inquiétude et de la honte, par exemple une affaire entreprise et qui n' est pas achevée. [2.415 #5311]
Se disait des malheurs qui étaient occasion de honte. [2.415 #1719]

Index