Index

Proverbs : voina

Proverb Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambony fe. [Rinara 1974 #778, Cousins 1871 #639]
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin' ny fe. [Houlder 1895 #1094]
Mandidy hena ambony fe ka misolo vaika ny akalana. [Rinara 1974 #2067]
Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe. [Rajemisa 1985]
Misolo voina ny akalana, ka mikapa hena ambony lohalika. [Veyrières 1913]
Misolo voina ny akalana, ka mitetika ambony felatanana. [Veyrières 1913]
Misolo voina ny akalana: mitetika ambony fela-tanana. [Cousins 1871 #1837]
Misolo voina ny akalana ve no miteti-kena ambony felatanana? [Rinara 1974]
Saro-po amin' akalana, ka miteti-kena ambony felantanana. [Rinara 1974]
Malagasy interpretation Enti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy. [Rajemisa 1985]
French translation Épargner le billot et découper la viande sur le genou ou sur la paume de la main. [Veyrières 1913 #3856]
Ne prenez pas la place du hachoir en découpant la viande sur votre cuisse. [Houlder 1895]
French interpretation Se disait des gens qui s'exposent au malheur ou subissent un préjudice, en se portant caution pour d' autres ou en cherchant à les protéger. [Veyrières 1913 #3856]

Proverb Saro-po amin’ akalana, ka miteti-koditra amin-tanana (" a: nnsolo voina ny akalana : mitetika ambony fela-tanana). [Cousins 1871 #2869]

Proverb Tsy ny mitsidika no manam-boina, ary ny tsy manao sanatry no arahin-dolo, fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [Houlder 1895 #1807]
Tsy ny mitsidika no manam-boina, ary tsy ny manao sanatry no arahin-dolo ; fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [Veyrières 1913 #1351]
Tsy ny mitsidika no manam-boina, tsy ny manao sanatry no arahin-dolo, fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [Rinara 1974 #4775]
French translation Ce ne sont pas ceux qui viennent vous voir qui vous apportent le malheur, et ce n' est pas celui qui s' adonne à la sorcellerie qui est poursuivi par les esprits, mais c' est le mari et la femme ne s' accordant pas (qui le sont). [Houlder 1895]
Ce ne sont pas ceux qui vous visitent qui vous apportent le malheur ; ce n' est pas celui qui fait de la sorcellerie qui est poursuivi par les esprits ; mais ce sont l' homme et la femme qui ne sont pas d' accord. [Veyrières 1913 #1351]

Index