Index

Proverbs : tafita

Proverb 1Boka milomano : tafita vao ana. (tsy misy hiakarana ny morona). [2.558 #61]
Boka milomano: tafita vao maty. [2.415 #1969, 2.653 #794]
Boka milomano: tafita vao rendrika. [1.1]
Boka nilomano ka tafita vao rendrika. [2.558 #942]
Boka nilomano: tafita vao maty. [2.165 #2036]
Lomano-boka: tafita vao rendrika. [1.1]
Tafita vao rendrika toy ny lomano-boka. [2.558 #3968]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin' ny ho tonga amin' izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan' ny sampona tsy azo anoarana). [1.1]
Enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsara hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa-mamikitra ny tanany. [1.1]
French translationLépreux qui nage: il arrive à l'autre bord pour mourir. [2.415 #1969]
Un lépreux nageant (pour traverser une rivière): il meurt après avoir atteint l' autre bord. [2.165]
French interpretationParce qu' il ne parvient pas à monter la berge escarpée, manquant de doigts pour saisir les herbes qui lui aideraient à grimper. [2.165]
Se disait des malheureux: le lépreux ne peut pas s'accrocher au rivage pour monter. [2.415 #1969]

Proverb 2Kely ny fitiavana ka tsy tafita ny rano. [2.558 #110]

Proverb 3Rafotsibe mita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita. [2.415]
Rafotsibe nita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika na ho tafita. [2.558 #3530, 2.653 #2623]
Rafotsibe nita rano, ka "Izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita!". [2.165]
French translationLa vieille femme traversant l' eau, dit: "Que Dieu fasse ce qui lui semble bon, soit que je chavire, soit que j' arrive de l' autre côté" . [2.165]
Vieille femme qui va passer l' eau : que ce qui m'est bon, dit-elle, soit accompli par la volonté de Dieu, soit que je doive être noyée, soit que je doive traverser saine et sauve. [2.415 #49]
French interpretationAdvienne que pourra! [2.165]
A la grâce de Dieu ! Ce proverbe se disait en guise de souhait. [2.415 #49]

Proverb 4Tafita aloha, alalan' ny aoriana. [1.1 #905]
Malagasy interpretationRaha tafita aloha ny tena, narovan' ny avy aoriana no nahavitana izany. [1.1 #905]

Proverb 5Tafita aloha, alalan’ ny aoriana. [2.415 #3431, 2.653 #2953, 2.558, 1.1]
Malagasy interpretationRaha tafita aloha ny tena, narovan' ny avy aoriana no nahavitana izany. [1.1]
French translationCelui qui a passé le gué le premier, sert d' entremetteur pour ceux qui viennent après. [2.415 #3431]
French interpretationIl en est de même pour les affaires difficiles. [2.415 #3431]

Proverb 6Tafita vao manenina. [2.415 #6437]
French translationSe repentir après avoir passé l' eau. [2.415 #6437]
French interpretationSe disait d'un repentir tardif. [2.415 #6437]

Index