Index

Proverbs : mahamasaka

Proverb 1Manjaka indray mahamasa-bary, toy ny leon' ny toaka mena. [2.558 #2117]

Proverbs : mahamasaka

Proverb 1Gaga aho, hoy ny vorombazaha, fa ny rano nandroako no nahamasaka ahy. [2.558 #1220]

Proverb 2Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo nanjary fanala hamono ny mangahazo. [2.558 #2761]
Natao ho zavona hahamasaka ny vary, kanjo tonga fanala hamono ny mangahazo. [2.653 #2092]

Proverb 3Ny toko telo mahamasa-nahandro. [2.558 #3308]
Ny toko telo no mahamasa-nahandro. [2.653 #2509, 2.974 #416]
Toko telo mahamasaka ny nahandro, andry telo mahatanjaka ny trano. [2.415 #1717]
Toko telo mahamasa-nahandro. [1.1]
Toko telo mahamasa-nahandro, tady telo olana saro-tapahina. [2.558 #4161]
Malagasy interpretationEnti-milaza olona na zavatra telo izay fototra ijoroan' ny asa na raharaha iray. [1.1]
French translationIl faut trois pierres pour bien cuire les aliments. [2.974 #416]
Trois pierres dressées font le foyer pour cuire les aliments, trois piliers dressés font la maison et sa force. [2.415 #1717]
French interpretationToutes les maisons et tous les foyers étaient construits de la même façon : par là tous les Malgaches se ressemblaient ; l'union fait la force. [2.415 #1717]

Proverb 4Nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka. [2.974 #475]
French translation(Gens d’expérience) qui ont peiné et réussi. [2.974 #475]

Proverb 5Tsy mba nampoizina ho fanala hamono ny mangahazo, fa natao ho zavona hahamasaka ny vary. [2.415 #5940]
French translationOn ne croyait pas que ce fût de la gelée blanche à faire mourir le manioc, mais on pensait que c' était un brouillard à faire mûrir le riz. [2.415 #5940]
French interpretationSe disait des gens trompés dans leurs prévisions. [2.415 #5940]

Proverb 6Tsy nahiko dia ny rano lahy no ho nahamasaka ny amalona. [2.653 #3555, 2.974 #395]
Tsy nahiko dia ny rano lahy no mahamasaka ny amalona. [2.415 #1348]
Tsy nahiko fa ny rano lahy no ho nahamasaka ny amalona. [2.165 #485]
Tsy nahiko ho ny rano lahy no hahamasaka ny amalona. [2.558 #4756]
Tsy nahiko ny rano no mahamasaka ny amalona. [2.415 #1348]
French translationJe n’aurais jamais imaginé que c’est dans l’eau qu’on fait cuire l’anguille. [2.974 #395]
Je ne me serais pas douté que l' eau cuirait l' anguille. [2.165]
Je ne pensais pas que ce serait l' eau qui ferait cuire l' anguille. [2.415 #1348]
French interpretationL'eau et l' anguille étaient bons amis, et l' un n' aurait pas dû faire du mal à l' autre! [2.165]
Le fiancé disait ce proverbe lorsqu' il parlait de celui qui montait la tête à sa fiancée et faisait rompre les pourparlers du mariage ; mais le sens était général. [2.415 #1348]

Proverb 7Tsy nampoiziko ho ny tranoko no nahamasaka ahy, hoy ny amalona. [2.558 #4759]

Index