Index

Proverbs : lelafina

Proverb 1Amboakelin-dRazakabezafy : omen-dranom-bary, tsy mety, ka ny volombodin-trano no lelafina. [2.653 #133]
Amboakelin-dRazakabezafy : omen-dranombary tsy tia, fa ny volom-bodin-trano indray no lelafina. [2.558]

Proverb 2Aombe mahia tsy lelafiñi ty namañe. [1.68]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany. [2.165 #1481, 1.1]
Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany, ary ny ory tsy havan' ny manana. [2.558 #3193]
Ny omby mahia tsy lelafin’ ny namany ; ny malahelo tsy mba havan’ ny manana. [2.974 #375, 2.653]
Omby mahia tsy lelafin' ny namany : ny malahelo tsy mba naman' ny manana. [2.415 #2551]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa andosiran' ny namany ny mahia, ny tsy manana, ny oriory, fa ifanotofana kosa ny manana, ny matavy. [1.1]
Ny mahantra, ny madinika tsy mba mana-namana; ny lehibe, ny mpanan-karena ihany no hodidinin-tsakaiza maro. [1.1]
French translationLa vache maigre n’est pas léchée par ses congénères ; le malheureux n’a pas de parents. [2.974 #375]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres, les pauvres ne sont pas camarades des riches. [2.415]
Les boeufs ne lèchent pas leurs compagnons maigres. [1.68]
Les bœufs maigres ne sont pas léchés par les autres. [2.165]
French interpretationLes pauvres sont sans parents et sans amis. [2.415 #2551]

Proverb 3Lelafin' angatra. [2.415 #78]
French translationLes cheveux qui tombent prématurément, c' est qu' ils ont été léchés par les esprits et sont emportés par eux. [2.415 #78]
French interpretationCroyance superstitieuse. [2.415 #78]

Proverb 4Mateza lelafina tahaka ny rira. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza zavatra izay tsy mba lanilany haingana foana fa akana tsikelikely ka mahalava ny faharetany (matetika dia ilazana zava-tsoa kendrena mba haharitra io ohabolana io). [1.1]

Proverb 5Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina. [2.415 #4250, 2.653 #2302, 2.165, 2.558, 1.1]
Malagasy interpretationRaha misy zavatra efa nahavoa ny tena indray mandeha, tsy tokony hilalao amin' ny tahaka an' io fahitandrina fatratra. [1.1]
French translationCe que vous venez d' avaler vous tuera, et vous vous léchez encore les lèvres (comme si vous en vouliez davantage). [2.165]
Le poison avalé suffit à tuer, et on lèche encore ce qu' il en reste au bout des lèvres. [2.415 #4250]
French interpretationPar exemple en ne dénonçant pas les coupables, on ajoute à sa cupabilité, ou de toute autre manière. [2.415 #4250]
Se rapporte au tanguin avalé par l'accusé. [2.165]

Proverb 6Tety am-bava: na tsy tiana aza lelafina ihany. [2.653]

Index