Proverbs : ambaviny

Proverb823 Aza atao fively ampongalahy ny havana : ny ambaviny tambatambazana , ny andahiny dobodobohana . [Rajemisa 1985 #71]
Aza atao fively amponga ny havana , ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka , fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza . [Rinara 1974]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana , ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana . [Houlder 1895 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana , ny iray andahiny dobodobohana . [Rajemisa 1985 #60]
Malagasy interpretation Tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [Rajemisa 1985 #71]
French translation Ne faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [Houlder 1895]

Index