<-
->

Eze / Ez 4:1 Thou also, son of man, take thee a tile, and lay it before thee, and pourtray upon it the city, even Jerusalem: Ary ianao, ry zanak' olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin' i Jerosalema; Ary hianao, ry zanak' olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin' i Jerosalema. Quant à toi, fils d' homme, prends une brique et mets-la devant toi : tu y graveras une ville, Jérusalem.
Eze / Ez 4:2 And lay siege against it, and build a fort against it, and cast a mount against it; set the camp also against it, and set battering rams against it round about. ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy. Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandràta tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy. Puis tu entreprendras contre elle un siège : tu construiras contre elle des retranchements, tu élèveras contre elle un remblai, tu établiras contre elle des camps et tu installeras contre elle des béliers, tout autour.
Eze / Ez 4:3 Moreover take thou unto thee an iron pan, and set it for a wall of iron between thee and the city: and set thy face against it, and it shall be besieged, and thou shalt lay siege against it. This shall be a sign to the house of Israel. Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin' ny taranak' Isiraely izany. Ary hianao makà lapoaly vy; atoavy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy. Aoka ho famantarana ho an' ny taranak' Israely izany. Alors, prends une poêle de fer que tu installeras comme une muraille de fer entre toi et la ville. Puis tu fixeras sur elle ton regard et elle sera assiégée : tu vas en faire le siège. C' est un signe pour la maison d' Israël.
Eze / Ez 4:4 Lie thou also upon thy left side, and lay the iniquity of the house of Israel upon it: according to the number of the days that thou shalt lie upon it thou shalt bear their iniquity. Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan' ny taranak' Isiraely; koa araka ny isan' ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony. Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak' Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok' izy ireo. Couche-toi sur le côté gauche et prends sur toi la faute de la maison d' Israël. Autant de jours que tu seras ainsi couché, tu porteras leur faute.
Eze / Ez 4:5 For I have laid upon thee the years of their iniquity, according to the number of the days, three hundred and ninety days: so shalt thou bear the iniquity of the house of Israel. Fa Izaho dia manao fetr' andro ho anao mitovy amin' ny taonan' ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak' Isiraely. Ary araka ny isan' ny andro no nanisako ny taonan' ny helok' izy ireo ho anao; ka dia sivifolo sy telon-jato andro no hitondranao ny heloky ny taranak' Israely. C' est moi qui t' ai fixé les années de leur faute à une durée de trois cent quatre-vingt-dix jours pendant lesquels tu porteras la faute de la maison d' Israël.
Eze / Ez 4:6 And when thou hast accomplished them, lie again on thy right side, and thou shalt bear the iniquity of the house of Judah forty days: I have appointed thee each day for a year. Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak' i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon' ny herintaona ho anao. Rahefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak' i Jodà kosa hianao, efapolo andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao. Et quand tu les auras terminés, tu te coucheras de nouveau, sur le côté droit, et tu porteras la faute de la maison de Juda, quarante jours. Je t' en ai fixé la durée à un jour pour une année.
Eze / Ez 4:7 Therefore thou shalt set thy face toward the siege of Jerusalem, and thine arm shall be uncovered, and thou shalt prophesy against it. Dia banjino tsara io fahirano an' i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy. Dia hitodika hanandrina an' i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy hianao. Puis tu fixeras ton regard sur le siège de Jérusalem, tu lèveras ton bras nu et tu prophétiseras contre elle.
Eze / Ez 4:8 And, behold, I will lay bands upon thee, and thou shalt not turn thee from one side to another, till thou hast ended the days of thy siege. Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron' ny fahiranonao. Ary indro, efa nopetahako tady hianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron' ny fahiranonao. Voici que j' ai mis sur toi des liens et tu ne te tourneras pas d' un côté sur l' autre jusqu'à ce que soient accomplis les jours de ta réclusion.
Eze / Ez 4:9 Take thou also unto thee wheat, and barley, and beans, and lentiles, and millet, and fitches, and put them in one vessel, and make thee bread thereof, according to the number of the days that thou shalt lie upon thy side, three hundred and ninety days shalt thou eat thereof. Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan' ny andro izay handrianao amin' ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. Makà fromenta, orja, kalamaka, voanemba, ampemba ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan' ny andro handrinao amin' ny ilanao, sivifolo sy telon-jato andro no hihinananao azy. Prends donc du froment, de l' orge, des fèves, des lentilles, du millet et de l'épeautre : mets-les dans un même vase et fais-t' en du pain. Tu en mangeras autant de jours que tu seras couché sur le côté - trois cent quatre-vingt-dix jours.
Eze / Ez 4:10 And thy meat which thou shalt eat shall be by weight, twenty shekels a day: from time to time shalt thou eat it. Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan' andro; asio elanelany ny fihinanao azy. Roapolo sikla no lanjan' ny haninkohaninao amin' ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy. Et cette nourriture que tu mangeras, tu en pèseras vingt sicles par jour que tu mangeras d' un jour à l' autre.
Eze / Ez 4:11 Thou shalt drink also water by measure, the sixth part of an hin: from time to time shalt thou drink. Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin' ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy. Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin' ny hina, asio elanelany ny fisotro azy. Tu boiras aussi de l' eau avec mesure, tu en boiras un sixième de setier d' un jour à l' autre.
Eze / Ez 4:12 And thou shalt eat it as barley cakes, and thou shalt bake it with dung that cometh out of man, in their sight. Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony. Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason' izy ireo. Tu mangeras cette nourriture sous la forme d' une galette d' orge qui aura été cuite sur des excréments humains, à leurs yeux.
Eze / Ez 4:13 And the Lord said, Even thus shall the children of Israel eat their defiled bread among the Gentiles, whither I will drive them. Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan' ny zanak' Isiraely ny mofony voaloto any amin' ny firenena izay handroahako azy. Dia hoy Iaveh tamiko: Toy izany no hihinanan' ny zanak' Israely ny mofony voaloto, any amin' ny firenena handroahako azy. Et Yahvé dit : " C' est ainsi que les Israélites mangeront leur nourriture impure, au milieu des nations où je les chasserai. "
Eze / Ez 4:14 Then said I, Ah Lord GOD! behold, my soul hath not been polluted: for from my youth up even till now have I not eaten of that which dieth of itself, or is torn in pieces; neither came there abominable flesh into my mouth. Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana. Ka hoy aho: Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin' ny fahatanorako ka mandrak' ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena maloto. Alors je dis : " Ah! Seigneur Yahvé, mon âme n' est pas impure. Depuis mon enfance jusqu'à présent, jamais je n' ai mangé de bête crevée ou déchirée, et aucune viande avariée ne m' est entrée dans la bouche. "
Eze / Ez 4:15 Then he said unto me, Lo, I have given thee cow' s dung for man' s dung, and thou shalt prepare thy bread therewith. Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain' omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao. Dia hoy izy tamiko: Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin' izany no hanendasanao ny mofonao. Il me dit : " Eh bien! je t' accorde de la bouse de boeuf au lieu d' excréments humains; tu feras ton pain dessus. "
Eze / Ez 4:16 Moreover he said unto me, Son of man, behold, I will break the staff of bread in Jerusalem: and they shall eat bread by weight, and with care; and they shall drink water by measure, and with astonishment: Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak' olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan' aina, ka an-danjany amin' ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin' ny fahatahorana. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, indro hotapahako ny tehana mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan' izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano. Puis il me dit : " Fils d' homme, voici que je vais détruire la réserve de pain à Jérusalem : on mangera dans l' angoisse du pain pesé, on boira avec effroi de l' eau mesurée,
Eze / Ez 4:17 That they may want bread and water, and be astonied one with another, and consume away for their iniquity. Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony. Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany. parce que le pain et l' eau manqueront; ils seront frappés de stupeur et dépériront à cause de leur faute. "

<-
->